Nivoaka ihany ny fehin-kevitra taorian’ny fifampidinihan’ny filoha Andry Rajoelina sy ny mpiara-miasa aminy ary ireo mpandraharaha ny solika.
Tapaka ary, fa hihena 500 ariary isaky ny litatra ny vidin’ny solika fandrehitra, 150Ar ho an’ny gazoala, ary 100Ar monja ho an’ny lasantsy. Raha ny zava-nisy, niakatra saika isam-bolana 50Ar ny vidin-tsolika nanomboka aprily 2018 hatramin’ny septambra, ary somary niato kely nanomboka teo. Ny 4 desambra no nisy fiakarany farany, dia izao midina izao. 4200Ar ny gazoala, ka ho lasa 4050Ar izany, 3550Ar ny lasantsy izay ho lasa 3450Ar, ary ny solika fandrehitra kosa ho lasa 2150Ar raha 2630Ar teo aloha. Raha ampitahaina anefa, tsy mifanalavitra ary mbola ambony noho ny vidin-tsolika tamin’ny fiandohan’ny taona 2018 io vidiny io satria ny volana febroary tamin’ny taon-dasa, ohatra, dia 3280Ar ny gazoala, 3970Ar ny lasantsy. Tena hisy fiantraikany amin’ny vidim-piainana toy ny fidinan’ny saran-dalan’ny taksibe sy ny taksibrosy ary ho hita taratra amin’ny vidim-piainana andavanandro tokoa ve io manomboka anio? Manantena ny rehetra! Efa nampoizina ny fidinana, saingy tsy io no noeritreretin’ny maro raha ilay serasera mipoapoaka.
Nangotraka ny adihevitra
Nivoaka sempotra ny fanjakana, ary toa tora-tsemboka sy kivikivy izany ny filoha Andry Rajoelina teo am-pilazana ny fanapahan-kevitra; hita teny amin’ny endrik’ireo solontenan’ireo kaompanian-tsolika ihany koa fa nangotraka ny fifampiresahana. Ankoatra izay dia nambara, fa hihena ihany koa ny saran’ny fitaterana solika alain’ireo mpandraharaha. Hampitomboina ny karaman’ireo mpitantana toby famatsian-tsolika izay Malagasy ny ankamaroany. Hafindra ivelan’Antananarivo ny toby fitahirizan-tsolika eny Ankorondrano noho izy tsy manaraka ny fenitra miaro ny tanàn-dehibe. Hafindra koa ireo tahirin-tsolika eny an-tanàn-dehibe sy manerana ny faritra rehetra. Ny tahirin-tsolika dia hampitomboina ho 45 andro raha 21 andro izany amin’izao fotoana izao..
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.