Politique

Fampianarana ambony Potehin’i Andry Rajoelina


  • Alarobia 31 Oktobra 2012

Ny lalana tsy azo hanina ! Anisan’ny nanenjehan’i Andry Rajoelina an’i Marc Ravalomanana izany tany amin’ny taona 2008-2009 ka nanonganany azy.

 Teo koa ny filazany fa namidy ny tany. Izao anefa manao kianjan’ny rugby i Andry Rajoelina. Izany ve azo hanina ? Ny tanim-panjakana ihany koa dia tapitra amidy ary dia mivarotra tanindrazana amin’ny fomba rehetra izy, hoy ny CT Randriamamiarizafy Ignace. “Ny zavatra rehetra niampangana an-dRavalomanana dia naverin’i Andry Rajoelina avo 200 heny ankehitriny”, hoy ity zanak’i Mangoro ity. Raha tena fiovana no natao ary raha tena tia tanindrazana ny FAT dia tsy hahantra velona toy izao ny Malagasy, hoy ihany izy nanamafy.

Tsy mbola nisy fanjakana mpandrehitr’afo toy ity sy fanjakana tena sahirana toy izao. Ny vatsim-pianarana kelin’ireo mpianatra tsy voaloa kanefa manao tempolin’ny rugby tsy ao anaty teti-bola akory ny fitondrana. Zanaky ny tantsaha ny ankamaroan’ny mpianatra eny Ankatso kanefa dia lakrimôzena no valin’ny fangatahan’izy ireo. I Andry Rajoelina no nanapotika ny oniversite, hoy ihany izy ary dia tsy maintsy hiongana eo izy na amin’ny alalan’ny fifidianana na hiongam-potsiny. Manoloana ny olana ara-bola mavaivay eto amin’ny firenena sy amin’ireo andrim-panjakana isan-tokony dia miandry ny minisitry ny vola ny Kongresy amin’io herinandro ho avy io.

 
Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT