Politique

Fampandrosoana “Ny lalana sy ny sekoly no laharampahamehana”


  • Alarobia 10 Febroary 2021

Tafiditra ao anatin`ny fampandrosoana ny lafiny ara-toekarena sy ara-tsosialy ka

 

 

ny hifandraisan`izany no nanasan`ny Gazety Tia Tanindrazana an`Atoa Njiva Tahiry, mpahay lalàna sy mpanaraka fiainam-pirenena, raha misy zavatra azony ambara mikasika izany:

Tia Tanindrazana (TT): Inona no tena olana amin`izao amin` ny lafiny toekarena?

Njiva Tahiry (N.T): Ny olana misy amin` izao fotoana izao dia betsaka ny orinasa no sahirana ara-bola noho ny fotoan-tsarotra nolalovana tanaty fihiboana. Maro ireo voatery nikatona na nandefa mpiasa ho “chomage technique” indrindra ireo orinasa madinika sy salasalany. Manaraka izany, ny fidangan`ny sandam-bola vahiny noho ny fihenan`ny fanondrantsika entana makany ivelany sy ny tsy fisian`ny mpizahantany vahiny izay mitondra vola vahiny. Mbola fanafarana entana avy any ivelany no betsaka eto amintsika mitaha amin` ny fanondranana, hany ka miakatra foana ny sandan`ny vola vahiny. Vokany, miakatra ny vidin-javatra jifaintsika isan`andro satria vidina en amin` ny vola vahiny ireny entana hafarana ivelany ireny any, ohatra ny vary, lafarina, menaka, siramamy, sy ny kojakoja samihafa ilaina amin` ny andavanandro.

 TT: Ahoana no fahitanao ny drafim-panarena ny toekarem-pirenena?

N.T: Io dia miankina voalohany indrindra amin` ny politikan`ny fanjakana izay tokony ho hita taratra ao anatin`ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (LFI). Raha ny tokony ho izy izany dia miainga avy amin` ny fanjakana ny fanarenana toekarena amin` ny alalan` ny LFI izay volavolainy. Raha ny hevitro dia tokony hamafisina sy tohanana bebe kokoa ny fampiasam-bola mba hampitombo ny famokarana satria io irery ihany no hahafahana manarina toekarena. Rehefa mamokatra tsara ny orinasa eto an-toerana dia miteraka asa izany ary mazava ho azy fa miteraka vola ho an`ny mpiasa ihany koa. Mitombo ho azy avy eo ny fanjifàna. Moa koa mitombo ny vola miditra amin`ny fanjakana amin` ny alalan`ny hetra rehefa mamokatra tsara ny orinasa eto an-toerana. Asa raha hita soritra ao anatin`ny LFI 2021 ireo fanampiana ny sehatra famokarana ireo fa izay amiko no lalana iray hahafahana manao “relance économique”.

 

TT: Inona izany no vahaolana arosonao ?

N.T:Ankoatra ireo voalaza ireo dia ny fanatsarana sy fananganana ny fotodrafitrasa toy ny lalana sy sekoly, amiko, no tokony laharampahamehana aloha izay vao ny kianja sy dobo filomanosana. Tsy lavina fa ny fananganana fotodrafitrasa ataon` ny fanjakana dia miteraka asa sy fidiram-bola ho an`ny orinasa, kanefa na izany aza, tokony jerena tsara ny laharam-pahamehana rehefa managana fotodrafitrasa isika. Ny lalana izao hitako tena maika mba hahafahan`ny olona sy ny entana mifamezivezy.

Legende: Njiva Tahiry, mpahay lalàna sy mpanaraka fiainam-pirenena

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT