Teny Ambatolampy Ambohimanarina ny depiote Todisoa Andriamampandry mivady sy ny vehivavy TIM Boriborintany faha-6 no nankalaza ny andron’ny 8 martsa 2020 omaly sady fifampiarahabana noho ny taona vaovao rahateo ihany koa io.
Nirary ny soa sy tsara ho an'ireo vehivavy Malagasy rehetra na eto an-toerana na ny any ivelany ny depiote Todisoa. Mbola maro, hoy izy, ny vehivavy iharan'ny herisetra sy ny tsindry hazo lena eto Madagasikara, indrindra eny anivon'ny fiarahamonina. Eo ihany koa ny olana mianjady amin’ireo noho ny fahantrana lalina dia lalina ka vonona mandrakariva ny tenany hiaro sy hiady ny zon’ny vehivavy Malagasy satria raha tsy misy ny vehivavy miaraka mifandray tanana amin'ny lehilahy, dia tsy afaka handroso ny firenena izay vehivavy no maro an’isa eto. Manodidina ny 900 eo ny vehivavy izay solontena isam-pokontany 31 mandrafitra an'Ambohimanarina no tonga niara-nanamarika ny andron’ny 8 martsa. Hisy ny fanofanana momba ny asa tanana ho an'ny vehivavy sy fitadiavana asa araka ny fahaizana ananan'izy ireo. Namaranana ny lanonana ny fanapahana mofo mamy sy fiarahana niala hetaheta. Raha ny ara-politika manokana, dia matanjaka ny vehivavy TIM Ambohimanarina ary mijoro mandrakariva amin'ny fahamarinana ary nanamafy fa miady amin'ny hosoka izay miseho eto amin'ny firenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.