Nampitomboina ho 2 miliara ariary ny vola omena ho tantanan` ireo governora
hitondrana ny fampandrosoana raha 1 miliara ariary izany, hoy ny praiminisitra Ntsay Chrisitian omaly. Efa voasoratra ao anatin` ny tetibolam-panjakana lasitra taona 2021 izay vao hodinihan` ireo parlemantera roa tonta izay vola izany. Mihazakazaka isika eto Madagasikara manoloana ny fampandrosoana izay tara an-taonany maro. Hovatsiana fitaovana ihany koa ny faritra tsirairay avy hahafahana manatanteraka izany. Tsy hilefitra kosa ny governemanta amin` ny fampiasana an ìreo fitaovana izay vatsiana isam-paritra rah any resaka izay nataon` ny praiminisitra hatrany. Tsy vitan` ny fanjakana samirery kosa ny asam-pampandrosoana ka antony nanomezana fahefana ho an`ireo governora izay iantsoroka izany. Tsy maintsy atao ny fampandrosoana tsy maintsy hipaka any ifotony. Mbola maro ny ezaka amin`ny fanatratrarana izany tanjona izany. Na dia izany anefa dia miainga amin`ny lafiny maro. Tsy vita ao anatin` ny fotoana fohy ihany koa izany mba hahafahana mahazo fotodrafitrasa maharitra sy lovain`ny taranaka aoriana, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.