Enim-bolana latsaka herinandro izay no nitenenan’ny Filoha Rajoelina ny 08 aprily fa hanaovana ilay « digitalisation » karazana fanisam-bahoaka sy fanangonana anatontan-kevitra mikasika ny fiainam-bahoaka hovitaina anatin’ny folo andro.
Nolazaina fa hizarana solosaina ny isam-pokontany, homena « carte magnétique » ny vahoaka, ka hatomboka tamin’ireo toerana nihiboka dia Analamanga, Antsinanana, Matsiatra ambony izany, hoy ny fampanantenana tamin’izany. Tanjona tamin’io ny hananana antontan’isa sy antontan-kevitra mazava momba ny vahoaka na ilay antsoina hoe : « bases de données ». Isan’ny zavatra saropady izany « base de données » sy ny « serveurs » fitahirizana azy izany ho an’ny firenena iray. Tsy fantatra ny orinasa na sampan-draharaha hanao azy, fa toa kabary sendra hitsin’ny vava angamba. Sa kosa niova làlana ny tetibola na votsotra mihitsy ny famatsiana ? Tena zava-dehibe ny fahavitan’io, raha matotra, saingy tsy izay aloha no niseho. Mifandraika amin’io ny karine manara-penitra misy « QR Code » ny 09 aogositra sy 23 aogositra, ka nolazaina fa 15 andro indray no hanaovana izany, kinanjo tsy nisy vokany. Azon’ny fanjakana natao tsara ny nametraka distrika na kaominina, na faritra filamatra nentina nanombohana io tetikasa io, raha tena matotra, saingy toa nijanona ho kabary ambony latabatra aloha hatreto raha ny fahitana azy sy ny tsy fisiana tatitra ofisialy. Marina fa mety manao zavatra hafa ny Fitondrana, fa ity dia isan’ny fampanantenana nohamafisina tamin’ny fandaharana nisesy tamin’ny fahitalavitra. 10 andro ny fampanantenana, 6 volana tsy vita ka mahatonga ny olona hanasokajy ny Fitondrana ho mpandainga. Efa nisy tahaka io tamin’ny tetezamita, taona 2010 nilazana tao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy Fanatanjahanten Mahamasina fa efa any anaty sambo ny Tramway, naseho tao ny makety fa 10 taona aty aoriana mbola tsy ilay sambo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.