Politique

Fampanantenana tsy mety tapitra an’ny fitondrana Maha te hiteny ratsy, hoy ny mpahay lalàna


  • Alarobia 16 Jona 2021

Tsy nitsitsy fitenenana amin’ny maha zanaka tatsimo azy tetsy amin’ny fonenany etsy Ankadifotsy omaly ny mpahay lalàna, Willy Razafinjatovo na Maitre Olala,

 

 

 

 mikasika ny tetikasan’ny fitondram-panjakana momba ny lalam-pirenena faha 13. Efa mitady hatahotra sy leo aho, hoy ny tenany, satria be loatra ny fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena hatrany amin’ny propagandy. Vao miha nataony betsaka izany nony izy nandray fitondrana. Maha te hiteny ratsy mihitsy satria ny eo tsy vita, asosoka ihany anefa ny vaovao, izay famerimberenana ny teo aloha ihany. Niteny ianao tamin’ny fotoan’androny, raha nanao fitokanana ilay “pipline” nataon’ny fitondrana Rajaonarimampianina tany Beloha, hoe ataoko ity RN 13 ity. 2020 iny dia izao 2021, miverina indray izay teny izay. Rahoviana ihany izany? Aza ambakaina ny olona! Fantantro izany RN13 izany fa manomboka avy ao Taolagnaro hatrany Ihosy fa tsy Taolagnaro hatreo Ambovombe. Tohizo hatramin’ny farany ary aza atao HIMO fa tsy tatatra akory io. Raha izany no hanaovana an’iny atsimo iny dia herintaona dia rava. Raisintsika indray ilay hoe RN10, izay lazaina fa Andranovory sy Ampanihy. Ampanihy, Beloha, Tsihombe, Ambovombe, Taolagnaro mbola RN10 daholo. Aza atao tapatapaka asan’ny kamolahy ilay izy! Raisintsika koa ilay hoe fako sy rano. Avy any Ranomafana, Manambotry, Farahantsa, Ifaka Ivondro handalovan’ilay fako daholo. Tsy mety vita, indrindra koa ny ao Ambinanibe. Tsy mety ritra io fako io ary ny maha lasa ny saiko dia hoe volantsika Malagasy madiodio no hanaovana an’io ary mba nanontany mikasika ny LFI aho fa tsy misy voalaza ao mihitsy izany. Vola avy aiza no nanaovana an’io satria lazaina fa volantsika Malagasy madio, hoy hatrany ny tenany ? ‘

 

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT