Politique

Fampanantenana poakaty Miala bala indray ingahy Filoha


  • Alatsinainy 09 Mey 2022

“Tsy vita 2 taona, tsy vita 3 taona ny manarina firenena. Raisiko ary babeko avokoa ny tsy vita rehetra sy fahatarana nataon’ny teo aloha.

Mamela ahy raha misy ny zavatra tsy vita, fa na izany aza izaho tsy matory andro aman’alina,… Mankarary ny foko ny fiakaran’ny vidin’entana, mankarary ny saiko ny tsy fandriampahalemana”, hoy ny ampahan-tenin-dRajoelina omaly tany Atsimo Atsinanana ny faran’ny herinandro. Taorian’ilay hoe: mila fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika in’efatra eo raha tiana handroso ny firenena, dia io tsy vita 2 na na 3 taona io indray no resaka, raha toa hafa mihitsy no nolazaina tao anatin’ny progandy dia ny hoe: “izay tsy vitan’ny rehetra tao anatin’ny 60 taona, dia hovitaiko ao anatin’ny 5 taona”. Hafa no lazaina anio, ary hafa ny rahampitso! Ankehitriny, mikofokofoka mafy eo anatrehan’ny faharatsian-toerana amin’ny fifidianana 2023. Tsara tsiahivina ireo ampahana fampanantenana mba hahafaha-mandrefy sy maminavina hoe: hahavita fahagagana ve ao anatin’ny herintaona sy tapany? Mbola hirarakopana ny propagandy, kanefa ny teo aza betsaka ny tanteraka, ary efa iny niteny ho azy iny antontan’isa nilaza fa 12% monja no vita. Valala tsy an-tànana tsy atolo-jaza, hoy ny oha-pitenenana Malagasy, siangy isan’ny fatratra amin’ny fampanantenana tsy tanteraka ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina.
ÎLES EPARSES, SOLOSAINA, GASYCAR
Mandeha ny fampahatsiahivana ankehitriny, fa efa mialohan’ny 26 jona 2019 no nambara fa hamerenana na hivoahan’ny fehin-kevitra momba ny famerenana ireo Nosy Malagasy na Îles Eparses, fa nodiana mitapy, araka ny fitenin’ny tanora. 2 taona mahery izay ilay fampanantenana solosaina isam-pokontany tamin’ny 08 aprily 2020 noresahana niaraka tamin’ilay “digitalisation” ao anatin’ny folo andro. Mandrak’ity ny androany tsy hita izay niafarany. Ny orinasa Gasycar nolazaina fa hamokatra fiara vita Malagasy hisy famoron’asa 7000 any ho any efa ho 2 taona amin’ny 24 jona ho avy izao. "Tsy maintsy vokarina eto an-toerana avokoa ny zavatra rehetra ilain'ny Malagasy. Ary ny fampandrosoana ny sehatry ny indostria no antoky ny fisandratan'ny firenena" hoy ny filoha tamin'izany fotoana izany. Indrisy anefa, fa izy ihany koa no nilaza volana vitsy lasa izay amin’ny resaka famokarana, fa tsy afaka ny hiandry vary 2 taona vao miakatra, fa ny manafatra dia mariky ny fampandrosoana. Ny orinasa fanamboarana ethanol any Ambilobe, dia ny 08 martsa 2019 no nametrahana ny vatofototra, ary ny 08 desambra 2019 no nambara hitokanana azy, saingy nolazaina tamin’ny fivoriana iraisam-pirenena COP26 fa noho ny valanaretina coronavirus no tsy nahatanteraka azy. Mbola nangataka ilay 100 tapitrisa dolara momba ny fiarovana ny tontolo iainana, saingy hatramin’izao toa tsy misy miraharaha. Ny tetikasa goavana fly over na tetezana mitsingevana hatao eo Anosizato sy Andohatapenaka efa tany amin’ny aogositra 2019 no nanaovana no nanaovana antso tolo-bidy. Ny RN13 efa ny faran’ny 2020, faran’ny 2021,… no nolazaina fa tsy maintsy hanomboka hay mbola any amin’ny mpamatsy vola ny fanalahidy. Ny tramway aza moa efa tany amin’ny 2011 no nilazana fa efa any anaty sambo,… Mbola azo hitokisana ve ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT