Vava tsy vava no nataon’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ny propagandin’ny fifidianana 2018. Natao fitaovana ny fampanantenana tsy tanteraky ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina,
ka nivoizina ny hoe: ny sasany nampanantena fa ao anatin’ny telo volana dia hivaha ny delestazy ka mandainga sy mampiesona. Mbola tafahoatra lavitra noho izany ny fampanantenana poakatin-dRajoelina. Efa fomba firesany ny manambany ireo mpitondra rehetra nifanesy fa ny nafitsony sy ny hadalana nataony hatramin’izay ka hatramin’izao tsy hitany. 400MW ny herinaratra nataon’ireo mpitondra nifanesy hatramin’ny nahazoana fahaleovantena, fa vao tonga eo aho dia ataontsika ny tsy mbola vitan’ireo ka hampiako 400MW izany hoe: hiakatra 800MW ny herinaratr’i Madagasikara, hoy i Andry Rajoelina. Ankehitriny, mahery vaika noho ny tamin’ny andron’ny Fitondrana teo aloha ny delestazy. Mifandramatra amin’ny kaompanian-tsolika ny Fanjakana noho ny resaka faktiora sy solika voaray, ny resaka trosa mifampiditra,… hany ka ny vahoaka no lasibatra. Sarotra ny miady amin’ny kaompanian-tsolika izay efa mandrahona ny tsy hanafatra. Adinon-dRajoelina sy ny ekipany ve fa saika orinasa iraisam-pirenena na «multinationales» ireo ka ny mahay mifanaraka sy miady hevitra aminy no mety kokoa noho ny fandratoana ady aminy ? Ny mpanjifa no mizaka ny voka-dratsin'ny fifanolanana. Fandrirarirana no betsaka eto, ary tsy vahaolana no tena aroson’ny Fanjakana fa fanilihana any amin’ny hoe : misy mafia migafy, misy mangalatra,… Inona fotsiny no maha Fanjakana ny Fanjakana raha refesin’ny mafia lava eto? Natao hamaha olana ny mpitondra fa tsy natao ho mpanilika rihitra lava izao, ka ny fampanantenana poakaty no betsaka fa izay vahaolana tsy misy, ary vaika aza miharatsy ny tolotra. Maro ny orinasa sahirana, efa tena misy akony amin'ny fiainan'ny olona sy ny toekarena ilay fahatapahana lava. Hifanenjana hatramin'ny farany ve sa hifampiraharaha mba hivoahan'ny vahaolana hifaneken'ny andaniny sy ny ankilany; dia rahoviana ? Sa tsy misy vahaolana mihitsy ka mety hanara-dia ny Air Madagascar ny Jirama dia hisy hividy mora avy eo ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.