Naman’ny kofona tanteraka ankehitriny ireo mpandraharaha Malagasy, raha mijery ny fanapahan-kevitra noraisin’izy ireo tao anatin’izay 5 volana sy tapany izay.
Tao ireo nanena ny isan’ny mpiasa, nampandray karama tsy feno, nisy mihitsy aza moa ireo nikatona vokatry ny tsy fahafaha-miodina ara-dalàna sy mampidi-bola araka ny tokony ho izy vokatry ny fepetra napetraky ny fitondram-panjakana hitantanana izao ahamehana ara-pahasalamana izao. Nisy tamin’ireo mpandraharaha malaza ihany koa toa an-dry Ny Rado Rafalimanana, Mbola Rajaonah, Claudine Razaimamonjy izay nofonjaina sy natao lavanty ny fananany. Ireto farany moa izay malaza eo amin’ny tontolo politika ary misy tena tsy mitovy fomba fijery amin’ny fitondrana mihitsy. Ny tena malaza indrindra ankehitriny dia ity fifanandrinan’ny fitondrana ankehitriny amin’ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana ity, izay tsy mila hazavaina lava be intsony fa efa miharihary. Ny eto Antananarivo koa misy an’io fandravana tsena ara-bakiteny io. Misy ireo mametra-panontaniana hoe tena fanapahan-kevitra miainga avy any amin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ve ireny sa fampijabahana sy fandotoana azy? Misy amin’ireo mpanohana ny filoham-pirenena no miangavy mihitsy ankehitriny mba hanalana ireo ekipa mpandoto rano ny fitondrany. Ireo misolelaka aminao ireo ihany no voalohany hamadika anao rehefa tsy eo amin’ny fitondrana intsony ianao, hoy ny sasany. Maro ny fomba azo atao fa tsy voatery hanakatona orinasa ary fotoana natao hampanjakana ny soatoavina Malagasy izao, hoy hatrany ny antso satria ny avy any ivelany aza ho resena lahatra ho avy handraharaha eto ka amin’ny fomba ahoana no haharesy lahatra azy ireo raha toy ireny sarina tantsaha nanary ronono ireny no hitany? Tsy vitan’ny famotehana ny sarin’ny fitondrana tarihiny fotsiny, araka izany, fa tena famotehana ny sarin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, mihitsy ny famotehana ny mpandraharaha Malagasy sy ny fihariam-bahoaka mitranga ankehitriny.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.