Politique

Famorian’ olona etsy sy eroa Efa endriky ny tahotra, tandindon’ny ho faharesena


  • Alatsinainy 18 Jolay 2022

Fomba fanao, ary efa tsy vaovao intsony ny famorivoriana vahoaka ataon’ny mpitondra Fanjakana rehefa mamay tahaka izao ny toe-draharaha eo amin’ny firenena.

Efa fahita foana eto Madagasikara io. Miezaka maneho sary fa miasa sy mbola tiam-bahoaka na misy aza ny olana ara-tsosialy goavana vokatry ny tsy fahaiza-mitantana. Rehefa tena mangotraka misy fipoahana na fihetsiketsehana aza, dia fahita ny fanaovana hetsika sy fanehoan-kery milahatra amin’iny na “contre-manifestation”. Ankoatra ny tany amin’ny 20 taona mahery, nahitana an’izany ny tamin’ny fitondrana Ravalomanana satria somary nahazo aina sy nahazo toky izy noho ny vahoaka vory niaraka aminy na efa nafana aza ny toe-draharaha tamin’ny 2009, ka nanaovany ilay teny hoe: “tsapao aloha ny herinareo”. Nandeha ny Fanjakana Rajaonarimampianina, dia ireny niaraha-nahita ireny ny famoriam-bahoaka tamin’ny endriny maro, indrindra fa tamin’ny fotoana efa fifaranan’ny taom-piasany tahaka izao ataon’ny Fanjakana Rajoelina izao. Samy niezaka nampiseho sary fa manana sy tena mahazaka vahoaka, ary mbola tian’ny olona. Tonga ny fifidianana dia 8% ny vokatra azony. Samy nanana ny fahadisoana, fa ratsy lavitra izao fitondrana izao raha mitaha ireo teo alohany: toekarena, sosialy, fitantanana raharaham-panjakana, ady amin’ny kolikoly,… Tsy mifanalavitra amin’izany ny ataon’ny Fanjakana Rajoelina, ao anatin’izao fotoana mangotraka mampimenomenona ny vahoaka noho ny krizy izao, ezahina mafy ny mamory olona, manangona vahoaka rehefa misy zavatra azo tokanana na tetikasa hatomboka, manangona olona amin’ny alalan’ny artista,… Voizina mafy avy eo fa mbola tian’ny olona sy mamim-bahoaka na efa iaraha-mahalala aza ny zava-manjo ny firenena. “Tsy afaka manilika any amin’ny tarazom-pitantanana teo aloha sy ny coronavirus na ny ady any Ukraine, fa tena tsy fahaiza-mitantana mihitsy io satria ny Banky Iraisam-pirenena izao no milaza fa nitotongana avo telo heny isika isika mitaha amin’ny firenena aty Atsimon’i Afrika”, hoy ny antoko politika iray. Miezaka mampanatena sy mampandry adrisa hatrany, ary mbola mahavita vava tsy ambina aza indraindray. Tsy atao mahagaga ireny, fa toa efa tandindon’ny zavatra mety hiseho aoriana, raha ny tantara no zohiana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT