Politique

Famoriam-bahoaka Mifaninana amin-dRajoelina i Lalatiana


  • Alatsinainy 20 Septambra 2021

Toy ny ao anaty vanim-potoanan’ny propangady izany ny hetsika famoriam-bahoaka nataon’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny Minisitry ny serasera Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy ny faran’ny herinandro teo.

 Ny iray niankandrefana tany amin’iny faritra Itasy iny, nitokan-javatra sy nanao fampantenana zavatra maro. Ny ankilany somary niantsinanana nihazo an’Alaotra Mangoro. Samy nitety faritra namory olona ny filoha sy ny minisitry ny serasera, samy be kabary, samy naka ny fon'ny olona, samy nampiseho hoe manakaiky vahoaka. Raha atao indray mijery tampoka, dia toa mifaninana izany. Ny minisitry ny serasera dia miresaka sy matetika manome lesona ny hafa foana rehefa miteny, ka milaza fa politisianina manana etika sy deontolojia. Rehefa manao “tournée” na fitetezam-paritra ohatr’izao ny Filoha, dia heverina fa lojika kokoa raha ny hoe: tsy tokony hisy mpikamban’ny governemanta hanalokaloka azy, na toa manakona ny zavatra ataony. Afaka naroso na nahemotra ny an’ny Minisiteran’ny serasera. Izao toa lasa endrika fifaninanana ny sary miseho, ka toa manaloka ny Filoha ity Minisitra tratry ny resabe tao anatin’ny andro maro ity. Toa mifaninana amin-dRajoelina i Lalatiana Rakotondrazafy raha tarafina amin’ireny famoriam-bahoaka faran’ny herinandro ireny.
MAMPITANDRINA NY TSY HIKITIKITIHANA AZY ?
Amin’ny politika tsy misy zavatra tongatonga ho azy izany. Betsaka ny tsindry amin’ny fitakiana ny fialan’ny Minisitry ny serasera mivady taorian’ny raharaha goavana nahavoatonona azy ireo. Voasokajy ho manala baraka ny Fitondrana, ary ny mpomba ity Fanjakana ity aza efa maro no sahy milaza mivantana na ankolaka, fa ny mpanao politika na ny tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena dia tokony ho fitaratry ny vahoaka. Na ny ao anaty Fanjakana aza efa manosika azy ireo hivoaka. Maneho tsindry amin’ny Filoha sy ny Fanjakana kosa Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy mivady amin’ny tsy hikitikitihana azy, mampiseho ny fananana tanjaka politika, ary poizina ho an’ny Fitondrana ny manala azy ireo. Niditra tamin’ny hafainganam-pandeha « Grand V » ny serasera sy hetsika ho azy ny faran’ny herinandro teo. Nandokondoko, nizara zavatra,… nampiseho sary fa akaiky vahoaka sy manana vahoaka. Tsy azo hadinoina fa Lehiben’Antoko politika Freedom Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy, izay mazava fa manana hambom-po politika haka fahefana satria izay no antom-pisian’ny antoko voalohany. Efa niomana, nametra olona amina rafitra maro io Minisitra io na ao amin’ny rantsan’ny departemanta iantsorohany ary misy ihany koa any amin’ny hafa. Efa mipetrapetraka ny olon’ny Freedom any amin’ireo rafitra samihafa manerana ny Nosy, indrindra fa amin’ny haino aman-jerim-panjakana, ary ny TVM sy ny RNM dia efa toy ny fananan-dRtoa minisitra manokana. Ny azo handalinana azy, dia toa manome ritsoka ho an-dRajoelina sy ny ekipany Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy mivady hoe : «Andramo kitikitihina eo ary izahay ahitanareo ny lohanay », ka io mbola tsy sahy mikitika azy ireo tamin’ilay raharaha niteraka resabe ny Fanjakana hatreto.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT