Politique

Famoriam-bahoaka ao Antsiranana Norarana ny TIM, malalaka ny TGV


  • Alakamisy 05 Mey 2022

Mivoaka ny serasera amin’ny hanaovan’ny Antoko TGV hetsika goavana any Antsiranana ny sabotsy 07 mey ho avy izao, izay eo ambany fitarihan’ny Depiote Jocelyne Maxime Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena.

Hetsika niantsoana artista, hisiana diabe, arahina famonoan’omby hatrany amin’ny 25 isa,... Fanamarihana ny taom-baovao 2022 moa ny làlan-tsaina hoentina amin’io. Roa herinandro lasa anefa izay, nisy ny hetsika fameloma-maso nataon’ny Antoko Antoko TIM tany Antsiranana, tamina toerana an’olon-tsotra sy mihidy, dia ny Magro sy Tiko, saingy nosakantsakanana. Hatramin’ny hetsika fanadiovana aza notemerin’ny mpitandro filaminana tsy lavitra ny toerana nanaovana izany. Hatramin’ireo mpitarika aza nahazo fampanantsoana avy amin’ny mpitandro filaminana. Ity iray an’ny volomboasary ity kosa malalaka, ary afaka manao izay reviny. Asa hoe: politika inona no ahafaha-manasokajy izany? Izay eo amin’ny fitondrana tokoa no mametraka ny fitsipi-dalao araka izay tiany sy maha diavolana ny sainy? Asa re hanao ahoana hanao ahoana ny ho fihodin’ity politika ity aoriana ao fa dia samy miandry izay ho fivoarany, samy dia samia ho ela velona mba ahafaha-manaraka ity raharaham-pirenena ity.
Toky R
t
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT