Politique

Famonoana an’I Dr Jean Louis “Tsy afaka hanaiky intsony isika fa tsy rariny loatra”


  • Alatsinainy 27 Desambra 2021

Nampahery ny vady aman-janak'Itompokolahy Jean Louis Randrianantenainjatovo ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny 24 desambra teo,

 rehefa nigadona teto Antananarivo nandalo tetsy amin’ny Foiben-toeran’ny Antoko TIM tetsy Bel’Air ny nofo mangatsiakan’ity mpikatroka TIM, vadin’ny filoha lefitry ny TIM sy ny RMDM any Toliara Maître Elisoa Rasoanirina ity. « Tsy maintsy tadiavintsika ny marina, ny marina tsy mba maty ary tsy maintsy mbola hiseho, tsy avelantsika ho raraka an-tany ny ràn'itompokolahy. Manjombona ny andro, mavesatra ny alahelo,na izaho izay mijoro aza tsy hitako izay hitenenana ilay izy.
Mafy amin'ny zanak'olombelona ny hisaraka amin'ny olona tiana, fa Andriamanitra mahay mampionona antsika. Tampoka ny fahalasanan'Iltompokolahy , vokatry ny hetraketraky ny sasany. Noho ny hevitra tsy mitovy no andatsahana ain'olona toy izao. Andriamanitra no tompon'ny aina, fa mbola hotsaraina ireo nahavanon-doza”, hoy I Marc Ravalomanana. “Na inona na inona lazainareo dia resaka politika noho ny hevitra tsy mitovy izao zavamisy izao
Izany no nahavitana naniraka olona sy nanànana sain-dratsy hanalàna ain'olona. Tsy afaka hanaiky an'izany intsony isika fa tsy rariny loatra. Tsy ekentsika izao fa ,noho izaho ve no handatsahana ain'olona. Mitaky ny hanaovana fanadihadiana haingana mba hahalalàna ny marina. Heloka bevava izao. Tsy rariny ka toherinay amin'ny herinay manontolo”, hoy hatrany ny Filoha teo aloha. Nalevina ny faran’ny herinandro teo moa ity Raiamandreny lavon’ny bala noho ny fanafihana ny 23 desambra teo tao Toliara ity.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT