Mbola miteraka adihevitra etsy sy eroa ny famoahana ny marina momba ny lisi-pifidianana nataon'i Thierry Rakotonarivo.
Mitodika eny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny saina aman'eritreritry ny rehetra. Hanafay azy ka hiaro ny CENI ve sa hamoaka zavatra mitovitovy tamin'ilay “Pacte de Responsabilité” fony fitondrana Rajaonarimampianina nisorohana ny fanonganana ny filoha ? Araka ny ny feo mandeha dia efa nametra-pialana ihany koa ny tenany fa tsy niandry nesorina. Vaky izany aloha ny CENI. Etsy an-kilan'izay, fantatra fa nanetsika ny hambom-pona mpiasam-panjakana ambony maro ny fanilihana ity filoha lefitry ny CENI izay nanao tatitra sy nilaza ny zava-misy marina ity. “Tsy namorona izy fa nitatitra fotsiny ka inona moa no hadisoany tamin'izany ?”, hoy ny resaka mivoaka. F'angaha tsy nahafantatra iny fotoana nihaonana tamin'ny mpanao gazety iny moa ny CENI ? Ilay izy aza tao amin'ny foibeny no notanterahana. Tsy mitombina izany ny filazana fa tsy nanaja rafitra i Thierry Rakotonarivo. Ity farany izay tsara homarihana fa.anisan'ny administratera sivily manana ny maha izy azy, efa filoha nitarika ny sendikan'ny administratera sivily, efa sekretera jeneralin'ny minisiteran'ny atitany. Tsy olonolom-poana izany, ary tsy olona manaotao foana fa misy antony daholo ny zavatra ambarany sy.teneniny. Tsy i Thierry Rakotonarivo irery no mahalala zavatra momba ny fanomanana sy fikarakarana fifidianana teto fa olona maro be. Tsy sanatria kivy amin'ny fiainana na mamoifo.ity filoha lefitry ny CENI ity fa nanao ireny satria misy zavatra tiany hahatongavana. Etsy an-kilan'izay efa tsy azoazon'ireo mpiasam-panjakana ambony Malagasy ilay fiantsoana fanaterana CV nataon'ny fanjakana ka nanamarihana hoe mba olona mitovy Vina amin'ny filoham-pirenena no mety kokoa, izao misy ity raharaha Thierry CENI ity indray..izay raha ny fahitana.azy dia hailika any aminy ny rihatra rehetra dia madio ny mpikamban'ny CENI ambiny. Mbola lava ny tohin'ity raharaha ity...
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.