Araka ny resaka nifanaovany tamin'ny gazety boky "Jeune Afrique" nivoaka omaly talata dia milaza ny fahadisoam-panantenany amin'ny famahana ny krizy eto Madagasikara Atoa Abdou Diouf, Sekretera jeneralin'ny Frankôfônia (OIF).
Noheverina tany am-piandohana fa mahavita azy amin'ny famahana ny olana ny fikambanam-paritra, kanefa telo taona sy tapany aty aoriana dia tsy mbola miroso ihany ny famahana ny krizy, hoy i Abdou Diouf. Nambarany koa fa efa nanampy tamin'ny fananganana ny CENIT ny OIF ary mbola hanohana azy amin'ny fikarakarana ny fifidianana. Tokony hahavita ny asany kosa ireo mpanelanelana, hoy i Abdou Diouf. Momba ny fifidianana amin'ny herintaona kosa dia milaza ny diso fanantenana amin'ny zava-misy ny Sekretera jeneralin'ny OIF ka hoy indrindra izy : "tsy tokony hamonoana ny vahoaka malagasy ny hambom-po politikana olona roa ; raha efa niteny ny tsy ho kandida i Andry Rajoelina, dia tokony hanaja tena sy hampiseho fahendrena ka tsy milatsaka ho fidiana koa i Marc Ravalomanana". Nampatsiahy ingahy Abdou Diouf fa nisy tany amin'ny firenen-kafa ny tetezamita afaka nofaranana haingana fa tsy mitarazoka tahaka izao eto Madagasikara izao.
Tsy dia manaitra firy intsony ny fanambarana tahaka itony satria mazava be fa tafiditra ao anatin'ny tetiky ny Frantsay : kianina ny SADC, safosafoana i Andry Rajoelina ary terena tsy hilatsaka hofidiana i Marc Ravalomanana, dia mody lazaina fa efa mijaly ny vahoaka Malagasy ka tokony handefitra izy mirahalahy ireto. Vao miresaka Frankôfônia na OIF izany dia tsy maintsy misy dian-tanan'ny Frantsay. Nisy mihitsy ny fotoana efa nampifamaly an-taratasy ny SADC sy ny OIF noho ny fijabahan'ity farany be loatra amin'ny famahana ny krizy sy ny fivezivezena eto Madagasikara, kanefa efa nifanarahana fa ny ekipan'i Joaquim Chissano sy ry Marius Fransman no manelanelana eto. Ary ankehitriny, raha toa ka manangasanga any indray ny fodian'i Marc Ravalomanana dia io fa mipoitra indray ny OIF hanakorontana ny karatra.
Asa koa raha maharaka vaovao tsara na efa zokinjokiny ka tsy maharaka tsara ny zava-misy intsony, ingahy Abdou Diouf, izay filohan’ny Sénégal taloha, fa i Andry Rajoelina anie ka efa niteny hoe : "tsy eo ambonin'ny latabatry ny fifampiraharahana intsony ny hoe tsy ho kandida aho", izany hoe hirotsaka ho fidiana izany izy. I Andry Rajoelina rahateo tato ho ato izay dia namerimberina hatrany fa tsy misy ny lalàna mandrara azy hilatsaka ho fidiana, ary efa tsy miafina intsony ny propagandy mialoha ny fotoana ataony miaraka amin'ireo ekipany, mitety faritra. Mahagaga koa fa nivoaka ity fanambaran'i Adbou Diouf ity, dia nivoaka koa ny fanambarana iray hafa fa hoe ahemotra amin'ny fotoana manaraka ny fahatongavan'ireo iraka manokan'ny SADC eto Madagasikara, izay tokony efa nanomboka omaly. Mibaribary be izao fa tena saribakolon'ny Frantsay ka ampiasainy mba hiarovana ny tombontsoany sy haminganana ireo mpifanandrina aminy ingahy Abdou Diouf sy ny OIF tarihany. Inona no ao ambadik'izany rehetra izany ? Iza no mahazo tombotsoa amin'ny fihemoran'ny fanadihadiana ataon'ny SADC eto momba ny fampodiana an'i Marc Ravalomanana ? Tsy ny ao amin'ny Magro aloha e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.