Politique

Fametrahana ny demokrasia Miala any ny Amerikanina !


  • Alatsinainy 12 Novambra 2012

Ny zoma sy ny sabotsy lasa teo dia nanambara Atoa Marc Ravalomanana fa tsy misy fifidianana azo atao izany eto raha tsy tafaverina eto ny tenany.

Notsipihany koa fa tsy tokony hifantoka be amin’ilay hoe enim-bolana tsy maintsy mipetraka eto Madagasikara ny kandida filoha ny saina. Fifanarahana politika, hoy izy dia afaka milatsaka hofidiana ny tenako. Tsikaritra tamin’ny kabarin’ity filoha teo aloha ity ihany koa fa manana fanantenana goavana amin’ny fanampian’ny Amerikanina amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara sy ny famerenana ny demokrasia izy. Araka ny filazany dia vao mainka zava-dehibe ny fahalanian’ny filoha Barck Obama satria amin’ny maha olon’ny antoko demokraty azy sy ireo mpiara-miasa aminy dia saro-piaro amin’ny fampiharana ny demokrasia izy ireo, ary afaka manampy ireo rehetra mangetaheta ny hametraka ny tena demokrasia.
 
Ny zoma 9 novambra teo dia namoaka fanambarana ny sampandraharaha Amerikanina misahana ny tontolo iainana ary nanamarika fa tokony harovana izay sahy milaza ny zava-misy momba ny fambotriana ny firenena amin’ny alalan’ny fandripahana andramena… ary hanao fanadihadiana momba io fambotriana ny firenena io ny zandarimariam-pirenena, izay niantefan’ilay taratasy avy amin’ny Environemental Investigation Agency, moa. Ny alarobia 7 novambra dia nahitsy ny Mpiandraki-draharahan’ny masoivoho Amerikanina eto amintsika, Eric Wong, fa tsy hamatsy vola ny fifidianana i Etazonia raha tsy misy aloha ny fanajana ny demokrasia sy ny zon’olombelona ary ny fahafahana maneho hevitra.
 
Nisy ny fotoana koa efa nanambaran’ny Banky Iraisam-pirenena fa mila fifanarahana politika aloha eto Madagasikara ho famahana tanteraka ny krizy, izay vao hamatsy vola ho an’ny fifidianana izy ireo. Anio izao no tokony ho nanasoniavana eny amin’ny foiben’ny CENIT ny dingana faharoa momba ny famatsim-bola ny fifidianana, saingy nahemotra amin’ny fotoana manaraka ilay izy satria tsy mbola eto an-toerana, hono, Rtoa Fatma Samoura. Maro anefa no mahatakatra tsara fa fialana bala amin’ny fomba diplaomatika izany fa raha ny marina dia mailo dia mailo ny sehatra iraisam-pirenena ka tsy maimaika manao sonia amin’ny resaka famoaham-bola an-tapitrisany dolara izany, kanefa tsy azo antoka akory ny fanajana ny demokrasia amin’ny fanatanterahana ilay fifidianana. Na tiana na tsy tiana dia manana anjara toerana goavana ao anatin’izany resaka rehetra izany ny Amerikanina ary manomboka efa miseho mivantana amin’ny famahana ny krizy sy ny fametrahana ny tena demokrasia tsy manilika sy manaja ny fanehoan-kevitry ny hafa, eto.
 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT