Tsy maintsy miainga amin’ny resaka zo hatrany isika rehefa miresaka fitsinjaram-pahefana,
hoy ny mpandinika sy manampahaizana momba ny mponina, Tarzan Ndremitsara. Fantatsika fa nalaina tamin’ny zo frantsay io. Raha tsikaritsika dia na i Frantsa aza dia ny taona 2004 vao nahatafapetraka izany atao hoe fitsinjaram-pahefana tena izy izany. Izay isika maka filamatra ny zo frantsay izay izany dia efa olana iray, hoy izy. Ny mpanjaka frantsay, Napoleon Bonaparte, mihitsy no niteny hoe tsy natao hozaraina ny fahefana. Fonja fijery isan’ny sakana iray izay. Faharoa, raha hiresaka fitsinjaram-pahefana tena izy izany dia tsy maintsy misy koa ny fifamindrana eo amin’ireo singa afaka hanatanterahana izany na “moyen”, hoy hatrany ity manampahaizana ity. Iny moa ilay efa lazaina foana hoe mitangorona eto Antananarivo ny 90% fa 10% ihany no miparitaka any amin’ny faritra. Tsy maintsy ahitsy koa io. Fahatelo, midadasika i Madagasikara kanefa mila lanjaina koa ny fitsinjaram-paritra ao anatin’izay. Misy toerana iray izao tsy tokony hahazaka izany atao hoe faritany na “province” izany fa ho faritra na “region”. Ny mponina ao Antsiranana izao mitovy isa amin’ny boriborintany fahatelo eto Antananarivo kanefa io izao faritany. Fahefatra, dia eo ny filàna ara-bola fa tokony hapetraka koa ny filàna ara-pitaovana sy arak’olona, hoy ny tenany. Matoa napetraka ny atao “province autonome” dia lalana ho any amin’izay fitsinjaram-pahefana izay. Izany hoe hanamafy ny rafitra sy toekaren’ilay toerana mba hahafahany hahaleotena. Mazava ho azy fa tsy maintsy jerena ny lalàna efa mipetraka mikasika ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampiharana azy dia jerena avy eo ny fahafahan’ny faritra tsirairay handaminana ny zavatra rehetra. farafahakeliny izany, hoy ity tekinisianina ity, dia mila eo amin’ny 7 taona eo isika hametrahana izay fitsinjaram-pahefana tena izy izay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.