Politique

Fametrahana fitondrana tsara tantana Nanokanan’ny Amerikanina 15,5 tapitrisa dolara


  • Zoma 25 Martsa 2022

Vola mitentina 15,5 tapitrisa dolara no haompan’i Etazonia amin’ny tetikasa « Rindra » haharitra 5 taona hanamafisana ny fitondrana tsara tantana eto Madagasikara.

Vatsian’ny vahoaka Amerikana vola amin’ny alalan’ny Sampandraharaha Amerikana miasahana ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID), ary hotanterahin’ny PNUD io. “Maty ao anaty haizina ny demokrasia. Ary samy manana andraikitra amin'ny fitondrana hazavana ho an’ny governemanta isika. Ny tsy fahampian'ny mangarahara sy ny tamberin'andraikitra dia miteraka fatiantoka ara-bola sy fitohanan’ny fahafahana mihary," hoy ny tompon'andraikitra amerikana Amy Hyatt omaly nandritra ny fanombohana ofisialy ny tetikasa. Telo ny tanjona imasoan’ny tetikasa Rindra : Fanavaozana ara-pitsarana: hanavao ny rafi-pitsarana eto Madagasikara, ary hanokatra izany bebe kokoa amin’ireo olona marefo sy voahilikilika amin’ny fanatsarana ny fizarana torohay momba ny fitsarana, ny fanamorana ny fomba fiasa sy ny fandehan-draharaha, ary ny fampihenana ny fitohanan’ny raharaha amin’izao fotoana izao. Faharoa ny fanatsarana ny fahaiza-mitantana sy ny fitondrana tsara tantana: hiaraha-miasa amin’ny Kaominina 100 any amin’ny faritra dimy mba hampitomboana ny fidiram-bolan’izy ireo, hanamafisana ny fitantanana ny loharanon-karena eo an-toerana ary hanatsarana ny asa sahanin’ny kaominina. Hanome fiofanana mivantana eo amin’ny sehatry ny fitantanana, ny fitantanam-bola ary ny fampandrosoana ho an’ny mpiasan’ny Kaominina an-drenivohitra sy ambanivohitra. Fahatelo kosa ny Fanabeazana ny olom-pirenena sy fandraisana andraikitra: hametraka sehatra vaovao ny handraisana ny hevitry ny vahoaka sy hifampiresahana aminy, hampahafantarana azy ireo ny fanabeazana amin’ny maha-olom-pirenena sy ny hetsika ataon'ny vondrom-piarahamonina tarihan'ny tanora any amin'ny sekoly maherin’ny 200 any amin'ny distrika 20, ary hampiroborobo ny fandraisana andraikitra amin’ny maha olom-pirenena eo anivon'ny tanora malagasy. Hotanterahina any amin’ny kaominina 100 any amin’ny faritra Analanjirofo, SAVA, Atsinanana, Menabe ary ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina ny tetikasa Rindra. Hiara-hiasa akaiky amin’ireo toeram-piofanana fototra eto Madagasikara.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT