Diso indray ny daty misoratra eo amin’ny taratasy milaza ny famerenana ny satro-boninahitry ny mpanjaka Ranavalona III amin’ny firenena Malagasy misy ny sonian’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Malagasy, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, sy ny masoivoho frantsay miasa sy monina eto amintsika, Christophe Bouchard.
Efa niparitaka omaly 3 novambra 2020 ny taratasy saingy efa ny datin’ny anio 4 novambra anefa no voalaza ho nanaovana izany fifanekena izany teto Antananarivo. Tsy vao sambany no nisy fahadisoan-tsoratra toy izao tanatina taratasy ofisialy teto amintsika tato anatin’ity fitondrana izao ity fa saika efa matetika niverimberina. Isan’ny akaiky indrindra amin’ny resaka daty toy ity izao ny fanambarana momba ny fepetra raisina tamin’ny fisorohana ny fidiran’ny Coronavirus teto ny 3 febroary teo izay lasa 3 janoary.Fikoropahana ve no nitarika ny fahadisoana sa inona no dikan’izao ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.