Afa-bela indray na tonga amin’ilay hoe “sauver par le gong”, araka ny teny vahiny, ny filoham-pirenena malagasy vokatr’ity trangana valanaretina niely eran-tany nanomboka ny volana desambra 2019 ity.
Misy azo ialana bala indray, noho izany, ny tenany raha sanatria tsy tanteraka ireo fampanantenana niezinezina toy ny famerenana ireo nosy manodidina mialohan’ny fetin’ny fahaleovantena ny 26 jona 2020 izao. Toy izany ihany koa ny tsy fahavitan’ny kianjaben’ny Mahamasina izay kasaina hanaovana ny Matso. Ity farany moa, izay raha ny fampitam-baovao hatreto aloha, dia hoe mbola asa mitohy hatramin’izao. Izany hoe mandeha ny asa momba azy ka asa raha ho vita ara-potoana ihany. Raha sanatria moa tsy izay anefa no mitranga dia efa azo an-tsaina sahady ny mety ho firafitry ny kabarin’Andriamatoa filoha. Maro ankoatran’ireo ny resaka adino tanteraka mihitsy vokatry ny fanakonan’ny COVID 19 azy tao anatin’izay 2 volana latsaka kely izay, raha tsy hitanisa fotsiny afa-tsy ny resaka "doublon", ny fifidianana tokony averina, ny sata mifehy ny mpanohitra, ny sakatsakana am-pahafetsena atao amin'ny asa fanaovan-gazety, eny fa na dia ny resaka tsy fandriampahalemana isam-paritra aza dia hita ho takona hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.