Politique

Famerenana ny “Iles Eparses” Tsy vitan’ny hafanam-po fotsiny


  • Alatsinainy 07 Septambra 2020

Nivoaka iny ny fanapahan-kevitra noraisin` ny loholona Frantsay fa mitsipaka ny famerenana tanteraka ireo nosy miparitaka na « Iles Eparses ». Mazava ny azy fa an` ny frantsay ireo nosy ireo.

 

Tsy dia nahagaga firy aloha ny valin-kafatra satria na ny paikady nentin` ny Fitondram-panjakana Malagasy aza dia tena tsy maharesy lahatra firy mba tsy hilazana fa efa resy am-piandohana isika. Efa vita kajy hatry ny ela ho an` I Frantsa, ary izay rahateo no nitazonana ny nosy Mayotte ho departemanta frantsay izay tsy mitondra tombontsoa firy ho azy raha ny marina : toeram-pamaharana natao hiandry sy hanara-maso ireo nosy ireo, no sady koa hanamora ny fitrandrahana any aoriana. Ny Nosy La Réunion moa dia tsy stratejika loatra mantsy satria any atsimo atsinanana. Efa fantatra rahateo fa tsy ny Filoha Macron na ny governemanta frantsay no afaka manapaka ny momba ireo. Mpanatanteraka fotsiny ireo, fa ireo manana tombontsoa vaventy ara-bola sy ara-toekarena frantsay, izay nahazo tanjaka sy tombontsoa tsy hita noanoa efa hatramin’ny fanjanahan-tany no tompon` ny teny farany. Araka izany dia raha resaka tombotsoa goavana dia tsy ho vitan` ny hafanam-po sy ny fitiavan-tanindrazana fotsiny fa mila tetika maty paika sy paikady tena avo lenta. Raha atao resaka ara-miaramila dia tena mbola lavitra ny ezaka. Tsy nisy natanjaka toa an’ny filoham-pirenena Lybianina  Khadafi teto Afrika saingy novitain’i Frantsa indrindra tao anatin’ny fotoana vitsy monja. Tsy hisy ihany koa firenen-dehibe hanampy antsika satria ny tombontsoa goavana dia mifandray tendro ihany eo amin’ny fizaran-karena iraisam-pirenena. Etsy ankilany, na hanao hetsim-bahoaka goavana aza ny Vahoaka Malagasy hitaky ny famerenana ireo nosy ireo dia mila manana firaisan-kina sy hambom-pom-pirenena. Saingy ny ankamaroan’ny olobe sy ny mpitondra ambony aza moa mbola mizaka ny zom-pirenena frantsay. Ary izay tonga eo ka tsy manana izany dia miady fo ery mba hahazoana an’izay.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT