Politique

Famerenana ny ara-dalŕna Mitohy ny tolona, hoy ny VOT


  • Alatsinainy 19 Novambra 2012

Mankalaza ny fahatelo taona nijoroany ny fikambanana Vondron’Olon-Tsotra manohana ny filoha Marc Ravalomanana, fantatry ny maro amin’ny hoe : VOT.

 Nisafidy toerana teny Anatihazo Andavamamba II izy ireo nanamarihana izany ny sabotsy 17 novambra teo. Izany dia ho fandravonana ny fidinana ifotony nitetezan’ity fikambanana ity Fokontany teto an-drenivohitra sy ny manodidina ary tany Faritra nifampizarana vaovao, nanazavany ny toe-draharaham-pirenena, nanaovany fanentanana ary koa nampahafantarany sy nanamafisany ny antom-pijoroan’ny VOT, ny tolona ataony hamerenana ny ara-dalàna, hiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana sy ny hirotsahany hofidiana ho filoham-pirenena indray, famoahana ireo gadra politika rehetra ary koa ny famohana ireo haino aman-jery nakaton’ny fanjakana FAT.

Ankoatra ny fanentanana samihafa dia nisy, nandritra ity hetsika ity, ny fanomezam-pitenenana ny vahoaka, nahafahan’izy ireo namoaka ny hetahetam-pony. Tsy nitsitsy fitenenana, fa samy namatrapatratra ireo nifandimby niteny, tsy hanao fitaovana ny vahoaka ary koa tsy ho lany andro mifanasa vangy fa hanao izay hamaranana ity krizy ity, fa mijaly fadiranovana ny vahoaka. Mangataka ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa mba hihaino ny fitakian’ny vahoaka Malagasy. Rtoa Rakotonandrasana Zoé Sarah, mpandrindra nasionalin’ny VOT tetsy ankilan’izay dia nanamarika fa lany andro amin’ny fandresen-dahatra ambony latabatra ny mpanelanelana vahiny, hany ka mitarazoka ny famahana ny olana. Manoloana izany dia nanamafy ny VOT, fa tsy hijanona ny hetsika ataon’izy ireo raha tsy miverina ny safidin’ny vahoaka Malagasy, miverina an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana. 

 
Nizotra tamim-pilaminana ny hetsika. Nisy ny tolotanana nanampian’ny VOT ny mponina tao amin’ity Fokontany Anatihazo Andavamamba II ity sy ny sekoly nampiantrano azy ireo. Tonga nanotrona ity hetsika ity ireo mpandritra VOT avy amin’ny Faritra.
 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT