Politique

Famerenana ireo nosy manodidina Tsy afa-manapaka irery ny filoha Macron


  • Zoma 03 Jolay 2020

Sarotra ny fandidiana momba ny famerenana ireo nosy manodidina an’i Madagasikara amin’ny Malagasy rehefa alalinina ny lalampanorenana frantsay sy ny toeran’ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron, ao anatin’ilay toe-draharaha.

 

 

 

 hahasahy hanapaka samirery ny mikasika azy ity ve ity filoham-pirenena ity? Araky ny andininy faha 53 ao anatin’ity lalana ity dia tsy maintsy hierana amin’ny vahoaka voakasika ny fanavaozan-dalana momba ny fifanarahana iraisam-pirenena ifanaovan’ny firenena frantsay amin’ireo firenen-kafa. Na resaka varotra io na fifanakalozana hafa. Tsy misy fifanakalozana na fanomezana toerana firenen-kafa raha tsy voatsodranon’ny vahoaka voakasik’izany, hoy hatrany ity lalana ity. Na ny mikasika fitsarana iraisam-pirenena na CPI aza moa dia voafaritra ao amin’ny andininy faha 53 andalana faha 2 fa eken’ny fanjakan’ny frantsay ny fanapahan-kevitr’ity farany raha toa ka mifanaraka amin’ny fifanarahana na “traité” nifanaovana ny 18 jolay 1998. Ho vitan’ny fanjakana Malagasy ve araka izany ny hametraka tsindry hanerena ny fanjakana frantsay mba hamerenany ambongadiny ireo nosy manodidina (Iles Eparses) tsy misy tambiny raha toa ka fehin’ireo andinin-dalana ireo fotsiny ny hoe tsy afa-manapaka irery izany ny filoha Macron?  

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT