Politique

Famerenana ireo nosy Malagasy “Serasera iraisam-pirenena mifanesy no tokony atao”


  • Talata 01 Desambra 2020

Tsy manana zo hitaky ireo nosy Malagasy ny frantsay satria Lafrantsa sy ny tany

 

 

rehetra ananany dia misoratra anaty lalampanorenany, hoy ny mpahaitoekarena, Jean Jacques Ratsietison. Tsy misoratra anaty lalampanorenana frantsay ny “Iles eparses”. Tamin’ny taona 1979, nanomezan’ny ONU ireo nosy ireo antsika ny frantsay no tokony nitaky an’ireo raha afaka nitaky izany. Ny nataony dia ny nanova fotsiny ny lalana mifehy ny tany frantsay. Tsy miteny io lalana io fa azy ny nosy Malagasy, izany hoe, mandikandika ny lalampanorenana frantsay ny lalana frantsay tamin’ny 2007 izay nampidiran’ny frantsay ny nosy manodidina ho eo ambany fahefan’ny TAAF na “Terre antarctique et austral Français”. Tsy misy dikany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ireo lalana ireo fa antsika ny nosy manodidina ny dikan’izany. Manana ny herin’ny lalana isika noho izany ary izy herim-batana. Fibodoana tanin’olona no ataony. Fanandevozana na “colonisation” no ataony nefa i Macron niteny hoe “crime contre l’humanité” izany na heloka amin’ny maha olona. Nisy mpanjono maromaro novonoin’ny frantsay tao ary nampiakatra fitsarana ny Malagasy saingy tsy fantatra ny tohiny. Tsy azoko izay mamatotra ny fitondrana ankehitriny nefa izy afaka manao serasera iraisam-pirenena be hampilefitra ny firenena frantsay sy hanalana ny tafika frantsay ao. An-jatony na arivo dolara dia efa mahavita an’izany ka tsy azoko izay tsy hanaovany izany hanazana fa tsy an’ny frantsay nefa ny Miami an-jato tapitrisa dolara aza kasainy atao. Serasera iraisam-pirenena mifanesy momba an’io no tokony ataon’ny fitondrana raha tena tiany ho azo io, hoy hatrany ity mpahaitoekarena ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT