Raha ny fivorian’ny mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara teny amin’ny foiben’ny CENIT omaly no jerena dia tsapa fa mailo tanteraka amin’ny zava-misy eto ny sehatra iraisam-pirenena ka tsy hihazakazaka hanome vola be izany.
Hatreto aloha dia i Soisa, Norvezy ary ny Vondrona Eoropeanina no nanome toky fa hanome vola 15 tapitrisa euro ho fanohanana ilay PACEM (Programme d’Appui au Cycle Electoral à Madagascar), izany hoe fanohanana ny fifidianana rehetra hotanterahana ao anatin’ny tetezamita. Voalaza fa natokana ho an’ny taona 2012 sy 2013 izy io. Araka ny nambaran-dRtoa Fatma Samoura, solontenan’ny fandaharanasan’ny Firenena Mikambana na PNUD eto amintsika dia hosoniavina tsy ho ela ny PACEM ka ny PNUD sy ny ministeran’ny vola sy ny tetibola no hanasonia azy miaraka. Aorian’izay dia hisy indray ny antsoina hoe “Convention de partenariat” izay hosoniavin’ny PNUD miaraka amin’ireo telo tonta hamatsy vola dia i Soisa sy Norvezy ary ny Vondrona Eoropeanina izany.
Vita izay dia atsangana indray ny “Comité de pilotage” ka ny filohan’ny CENIT dia Rtoa Atallah Béatrice sy ny solontenan’ny PNUD, Rtoa Fatma Samoura ho hiara-kitantana azy. Manaraka an’izay dia hisy koa ny komity teknika hatsangana, ahitana ny solontenan’ny CENIT sy ny PNUD ary ny Vondrona Eoropeanina. Tsy mbola misy resaka kosa ny hivoahana sy hampiasana ny vola ary ny hameno ny banga. Raha atao mantsy ny kajy dia mbola lavitra be ny ezaka tsy maintsy atao raha toa ka 71 tapitrisa euro ny bolongam-bola ilaina. Nanome 15 tapitrisa euro ny avy any ivelany, nandrotsaka 5 tapitrisa euro ny fanjakana Malagasy, vao 20 tapitrisa euro ny fitambaran’izay. Mbola mila mikaroka 51 tapitrisa euros hafa izany, izay vao azo antoka ny hahatomombana ny fifidianana, araka ny vinavinan’ny CENIT teo am-pandrafetana io tetibola matevina dia matevina io.
Ho an’ny mpandinika ny tontolo politika sy ny fifandraisana iraisam-pirenena dia misy dikany matoa mailo tahaka izao amin’ny famatsiam-bola ny avy any ivelany. Mety misy ny zavatra hita fa tsy mbola mandeha araka ny tokony ho izy, ary tsy mbola azo atokisana amin’ny fitantanam-bola ilay fanjakana. Azo eritreretina ihany koa fa misy ny zavatra takian’ireo mpamatsy vola tsy maintsy tanterahan’ny fitondrana tetezamita aloha, izay vao mamoaka ny vola fanampiana ambiny izy ireo. Isika anefa efa tafiditra ao anatin’ilay izy ka ho sarotra ho an’ny fitondrana tetezamita ihany ny hanao anjolofo ka hitady vola any ambadibadika any dia hanao fifidianana amboletra na manaiky izany na tsia ny sehatra iraisam-pirenena. Koa raha te hahazo ny vola be dia tsy maintsy manaraka sy manatanteraka an-tsakany sy an-davany ny fifanekena natao, anisan’izany ny tondrozotra. Raha hanao be marenina sy mody fanina tahaka ny mahazatra moa ny mpitondra tetezamita, dia hitarazoka ity raharaha ity, ary dia mety hihemotra indray ny datim-pifidianana e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.