Parlemantera Eoropeanina telo mirahalahy tarihan’i Philippe Boulland no mamita iraka eto Madagasikara nanomboka omaly alatsinainy 29 oktobra hatramin’ny zoma 2 novambra izao.
Mihaona amin’ireo lehibe andrim-panjakana isan-tsokajiny miampy ny biraom-pifandraisan’ny SADC eto an-toerana izy amin’izany. Nandray azy ireo voalohany omaly ny minisitry ny raharaham-bahiny Pierrot Rajaonarivelo. Nivoitra tamin’ny dinika, araka ny tatitra nataon’ny lehiben’ny delegasiona ny krizy politika eto Madagasikara. Nomarihan’ity farany mazava fa tsy mitsabaka amin’ny olona ara-politika eto ry zareo fa manara-maso fotsiny ary manao tatitra amin’ny Parlemanta Eoropeanina izay zavatra hitany avy eo.
Momba ny fanomanana ny fifidianana dia nilaza i Philippe Boulland fa tsy misy zava-baovao aloha hatreto momba ny famatsiam-bola mety homen’ny Vondrona Eoropeanina ny CENIT satria miandry izay fanapahan-kevitry ny governemanta Malagasy ry zareo. Nomarihany koa fa tsy ny Vondrona Eoropeanina irery no mpamatsy vola amin’ny resaka fifidianana fa maro ireo vondrona iraisam-pirenena mpiara-miombon’antoka. Fanirian’ity delegasiona ity ny fampiharana an-tsakany sy an-davany ny tondrozotra ka hiverenan’ny famatsiam-bola indray.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.