Politique

Famarotana ny “Air Force one” Lasa latsa ho an’ny Firenena Malagasy


  • Alatsinainy 16 Novambra 2020

Nampihetsi-po ny resaka fitaterana ny Mpilalaon’ny Barean’i Madagasikara avy any Abidjan ny sabotsy tolakandro na mety tsy ho tsiaritry ny rehetra aza.

 

 

 

 Ny Ivorianina no tonga aloha teto Madagasikara, izay voafaritra aza fa ny zoma no tokony ho tonga teto Madagasikara izy ireo, saingy nisy fihemorany. Nandeha fiaramanidina manokana an’i Air Côte d’Ivoire izy ireo, raha toa ka ny sidin’ny Ethiopian Airlines no nitondra ny mpilalao sy ny delegasionina Malagasy. Tonga adin’ny iray nialoha tany Toamasina ny mpifanandrina. Mety ho sokajiana ho zavatra tsy dia manao ahoana izany, saingy mety hisy fiantraikany any amin’ny moralin’ny mpilalao ny zavatra tahaka ireny, ary tsy maintsy miaina amin’ny zava-misy isika. Zary adihevitra ny hoe nahoana no tsy nohetsehana sy nampiasaina ny Fiaramanidin’ny Kaompania Nasionaly Air Madagascar? Nisy fiaramanidina Air bus nampiasaina ihany koa tamin’ny CAN, ka asa na mbola eto na tsia? Mampahatsiahy ilay fiaramanidina Air Force one novidian’ny Fanjakana Ravalomanana tamin’ny fotoan’androny, izay namidin’ny Fanjakana Tetezamita taorian’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009 ny zava-misy. Fananam-pirenena, azo ampiasaina amin’ny fotoan-tsarotra tahaka izao ireny. Izao isika tsy manana satria ny teo an-tànana namidy, na mila mafy an’izany aza ny Fanjakana gejain’ny tantara, hany ka tsy maintsy manofa fiaramanidina manokana, mandeha amin’ny sidina tsotra,… raha tsy hoe misy efa an’ny Filoha ireny taingenany ireny, fa tsy ampahafantarina. Naman’ny nihemotra isika tamin’io lafiny io, ary latsain’ny tantara na ny mpitondra ankehitriny, na ny firenena mihitsy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT