Politique

Famakiana ady amin’ny Frantsay Nanenina ary lasa mitandrina ny Fanjakana ?


  • Alatsinainy 02 Aogositra 2021

“Miasa amin’ny sampan-draharaham-pitsikolovana Frantsay i Paul Maillot. Mazava be ny tanjona, ny Frantsay no tompon’ny Africa Intelligence.

Tamin’ny fotoan’androny Ravalomanana sy Rajaonarimampianina (desambra 2019) efa nihaona tany Frantsa. Inona daholo ny antony? Mipoitra ilay hoe anarana lazaina fa hisolo an-dRtoa Ntsay Christian, I Paul Maillot izay ao anatin’ny sampam-pitsikolovana Frantsay, any izany ny zava-misy. Tsy kisendrasendra ireo zavatra rehetra ireo fa efa nomanina tamin’ny volana novambra tany”, hoy ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Andriatongarivo sady Mpitondra tenin’ny Governemanta Malagasy ny 22 janoary. Notondroin’ny fanadihadiana Frantsay ho izy no ao ambadiky ny kaonty iray mpanohana Fitondrana izay ny andron’io ihany no nilazana tao amin’io pejy io, fa ny Frantsay no ao ambadik’izao endrika fanakorontanana rehetra izao izay miara-dia amin’ny mpanohitra. I Paul Rafanoharana izay lazaina foana fa hisolo ny praiminisitra dia ao anatin’ny sampam-pitsikolovana Frantsay DGSE, ary mpitsikilo I Paul Rafanoharana izay Paul Maillot no tena anarany, hoy ny resaka novoizina. Karazan’ny efa namaky ady sy nanasoketa an’i Lafrantsa ny Fanjakana Malagasy tamin’ny alalan’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta Minisitra ny volana janoary. Ny zoma 30 jolay teo, niresaka momba ilay raharaha famonoana ny Filoha i Lalatiana Rakotondrazafy, ary mbola nanenjika mafy an’I Paul Rafanoharana, saingy tsy dia nanenjika ny Frantsay amin’ny maha Frantsay azy intsony. Nanenina ve ny Fanjakana? “Efa misy olona maty mihitsy ve vao holazaina fa tsy sarimihetsika ny famonoana filoha? (…) Misy Frantsay voatonona, ka hanao sarimihetsika ve ny fitondrana dia hiditra amina zavatra mety hiteraka “incident diplomatique”? hoy I Minisitra io, kanefa ny volana janoary izy no toa efa nanangana ady mivantana na ankolaka tamin’ny Frantsay, ary isan’ny noresahany 7 volana lasa izay ny hoe: tsy tongatonga ho azy ny fihaonan’Atoa Marc Ravalomanana sy Atoa Hery Rajaonarimampianina tany Frantsa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT