Manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny izay toy ny taratra hahitana fifanolanana eo amin’ireo rafi-panjakana isan-karazany
eto Madagasikara toy ny eo amin’ny CENI sy minisiteran’ny atitany na koa ny antenimieram-pirenena sy antenimierandoholona dia nilaza ny heviny ny mpamakafaka politika, Manda Ravelojaona. Tranga, hoy izy, no hitantsika ety ivelany fa mila mijery mandrakariva ny fototry ny olana isika. Efa samy nitondra fanazavana ny rafitra 2 tonta fa anjarantsika no mijery tsy mitanila raha ny resaka eo amin’ny minisiteran’ny atitany sy CENI. Ny angatahana dia tokony hiaraka hanome fanazavana satria tsy mifanohitra no lazaina. Isika raha nanao ny fitsirihana na “recrutement” dia tsy olona dia tena hoe manana ny fahaiza-manao be no nalaina fa tsy maintsy mbola naka olona nanao “saisie”. Aleo miresaka hatrany dia mitondra fanazavana iombonana. Ny olan’ny antenimiera 2 kosa dia efa fantatra tsara hatramin’izay. Lalàna miainga avy àny dia hoe mety hitarazoka àny amin’ny antenimierandoholona. Ny antso ataoko amin’ny rehetra, hoy hatrany ny tenany, dia aleo mba jerena ny vahoaka. Indraindray lasa miha lava ny fotoana handaniana lalàna dia mitombo koa ny fandaniam-bolam-bahoaka. Mino aho fa hiravona tsy ho ela io, hoy izy, ary mila mazava koa ny andraikitry ny filankevitry ny fampihavanana amin’ny zavatra toy io. Matetika mantsy ny an’ny CFM ny zavatra efa vita no tsarainy fa ny ankehitriny tsy jereny. “Tokony hojerena ihany ny lalàna mahakasika ny CFM hoe raha misy zavatra toy izany ve tokony hiditra izy sa tsia ?”, hoy hatrany ity mpamakafaka politika ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.