Politique

Famahana ny krizy Miantona indray aloha


  • Alatsinainy 22 Oktobra 2012

Dia mbola miantona kely indray izany aloha ny tohin’ny famahana ny krizy mandra-piandry izay tenin’ny Troika n’ny SADC, aorian’ny tatitra ataon-dry Dr Leonardo Simao sy ny jeneraly Charles Mayounga.

 Iray ka hatramin’ny telo herinandro eo ho eo no mety hivoahan’izay fanambarana izay. Etsy ankilan’izay dia manohy ny fanisana ny mpifidy ny CENIT na dia mbola tsy ampy betsaka aza ny tetibola amin’ny fifidianana satria, hatramin’izao tsy mbola nanome vola ny sehatra iraisam-pirenena. Ny mpandinika dia mihevitra fa tsy hivoaka mihitsy io vola io, raha tsy tanteraka ny fampiharana manontolo ny tondrozotra, izay mbola mikatso eo amin’ny andininy faha-16, 17 ary 20 amin’izao fotoana. Tsy mbola araka ny tokony ho izy mihitsy ny fanokafana ireo haino aman-jery nakatona nandritra ny fitondrana FAT, toa nodiana fanina ny momba ireo gadra politika ary io iaraha-mahita io ny fanakanana amin’ny fomba rehetra ny fodian’ny sesitany politika indrindra moa fa ny filoha teo aloha. Nahita sy nahare tsara ny zava-misy eto ny SADC raha nihaona tamin’ireo karazana mpanao politika sy ny avy ao amin’ny foloalindahy.

Tsy mbola misy mahalala izay mety ho fanambarana ofisialy havoakan’ny Troika aloha hatreto, saingy inoana fa ho hafa kokoa noho ny efa nisy rehetra tany aloha izy io, satria nitombo isa indray ireo olona nakan-kevitra. Mahatsapa koa ny SADC izao fa tsy marina mihitsy ny filazana fa tsy mankasitraka ny fodian’i Marc Ravalomanana ny foloalindahy, ary azo ifampiresahana tsara io raharaha iray io, fa tsy hoe tsy mety mihitsy toy ny filazan’ny ankolafy Rajoelina azy. Misy antony matoa somary nanova ny fomba fiasany SADC ka teo ny fihaonana ofisialy tamin’ireo vondrona politika sy tompon’andraikitra mahazatra, ary teo kosa ny fihaonana miafina sy tsy ofisialy tamina sokajin’olona teto amin’ny tany sy ny fanjakana indrindra moa fa ny miaramila. Araka ny tsiliantsofina re dia maniry ny hamaha ny olana amin’ny fampiharana ny tondrozotra, amin’ity taona ity ny SADC fa tsy mbola hitaritarika izany amin’ny 2013 satria hanaratsy endrika azy aty Afrika sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany. Mafy dia mafy koa anefa ny tsindry ataon’ny Frantsay amin’ity resaka ity ka izay no mampandroso mihemotra ny famahana ilay krizy.

Matanjaka amin’ny diplaomasia ny Frantsay ary efa manana ny olony tsara petraka any anaty rafitra sy fikambanana maro samihafa any, na aty Afrika io, na any Eoropa na any Amerika. Tsy mipetra-potsiny fa miasa ireny olona ireny ary miaro hatramin’ny farany ny tombontsoan’i Lafrantsa. Tsy resaka zavatra hafa fa dia ilay fodian’i Marc Ravalomanana no olana amin’ny sasany ka izay no mampikatso ny resaka; eto an-toerana koa anefa dia maro no mitaky ny hamelana malalaka ity filoha teo aloha hiditra eto, satria tsy demokratika hoy izy ireo ny fifidianana ho avy eo, raha toa ka ahilika i Marc Ravalomanana, ary tsy vitsy koa ny mpandinika politika sy fiarahamonina no mahita fa, ny tsy fandraisan’ity filoha teo aloha ity anjara amin’ny fifidianana aza, no mety hiteraka korontana bebe kokoa ny fahatongavany eto.

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT