Amin’ny faran’ity herinandro ity na amin’ny fiandohan’io herinandro ambony io no mety ho avy eto amintsika indray ny iraky ny SADC hanohy ny asa fanelanelanany. Naato kely mantsy izany tao anatin’ny vanimpotoanan’ny fety teo anelanelan’ny krismasy sy ny faran’ny taona.
Ary rehefa tonga ny taona vaovao ka manomboka milamindamina daholo ny zava-drehetra dia ho avy indray ireto mpanelanelana ireto. Raha ny fantatra ihany koa dia niandry izay mety ho vokatr’ireo fifanantonana sy fifampiresahana isan-karazany teo amin’ny samy Malagasy ny sehatra iraisam-pirenena vao hiroso amin’ny dingana manaraka indray. Tsy dia hisy zava-baovao firy anefa ny ho ambara amin’izany fa dia ny fampiharana ny tetezamita iahara-mitantana amin’ny endriny eken’ny rehetra ; efa nifandresy lahatra tamin’izy ity ihany ireo ankolafy politika rehetra, ary raha ny vaovao farany fantatra dia tsy dia misy intsony ny fifandirana sy fifanipahan-kevitra fa samy efa mazoto amin’ny hirosoana amin’ilay fiaraha-mitanana ny rehetra.
Ny lahatenin’Atoa isany Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana rahateo, raha niarahaba ny vahoaka Malagasy nahatafita ny taona 2010 sy nahatratra ny taona vaovao 2011 izy ireo, dia niantso fifanomezan-tanana sy fiaraha-miasa lavitry ny fifanenjehana sy ny valy faty, koa azo antoka fa tsy hifanipaka amin’izany ny ho fihetsiky ny ankolafin’izy ireo tsirairay avy. Tsy mbola nisy ny fiovana hatreto aloha fa mbola ny Dr Leonardo Simao ihany no hitarika ireto iraky ny SADC ho avy indray eto Antananarivo ireto, ary ny faran’ity volana janoary ity moa no fantatra fa handinika manokana ity krizy eto Madagasikara ity ihany koa ny vondrona Afrikanina mandritra ny fivoriany any Addis Abeba.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.