Tena hain’ny Malagasy sady tiany ny mikaondoha, manatanteraka atrikasa sy fivoriana rehefa hikaro-bahaolana amin’ny krizy.
Efa maro izay natao izay toy ny fikaonandoham-pirenena, ny Dinika Santatra, Diniky ny samy Malagasy, ary ny maro hafa. Ny Dinika nasionalin’ny Faritra 22 indray no manaraka izay hotontosaina eto Antananarivo amin’ny 27 sy 28 septambra izao. Ity angamba vao tena mety hitondra vahaolana azo tsapain-tanana ho an-dRamalagasy amin’izay satria raha ny nambaran’ny mpikarakara dia samy voasolotena amin’io avokoa ny olona rehetra, ny sokajin’asa rehetra hatramin’ny mpandraharaha sy ny mpanao politika. “Tsy nahomby avokoa ireo karazana fikaonandoha teo aloha satria nandeha ila satria izay tian’ny mpikarakara ihany no nantsoiny raha iraisan’ny rehetra kosa ity.
Manana solontena 12 ny isaky ny Distrika ka ao anatin’izany ny mpandraharaha, ray aman-dreny, tantsaha, ny sendikan’ny mpiasam-panjakana ary ny mpanao politika toy ny Arema, ny TGV ary ny Federalista. Mbola misokatra ny fisoratana anarana ho an’izay te handray anjara”, hoy i Kotomanantsoa Rémi, mpandrindra ilay hetsika. Malalaka ny fanehoan-kevitry ny mpizaika amin’io ka izay hevitra tinapaka eo na inona na inona votoatiny dia atolotra ny FFKM sy ny SADC. Ity farany izay nolazain’i Kotomanantsoa Rémi hatrany fa sahirana tokoa amin’ny krizin’i Madagasikara ka nanome ny Malagasy 60 andro hikaroham-bahaolana. “Raha toa ka ny fanafoanana ny tondrozotra na ny fandavana ny tetiandrom-pifidianana no hevitry ny besinimaro ao dia tsy misy olana izany”, araka ny fanazavany hatrany.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.