Politique

Fakana ny basy sy fanesorana miaramila Tetika avo lenta hanodinkodinana saim-bahoaka…


  • Zoma 06 Martsa 2020

Tsy misy miaramila intsony etsy amin’ny Lapan’Anosikely, ary nahazo hafatra hody amin’ny toby niaviany ny polisy. Niala ireo polisy mpiambina manokana, ka zandary tsy mitam-basy sisa no miaro an-dRakotovao Rivo filohan’io andrim-panjakana io.

Volana maromaro anefa izay no efa nesorina ny maromaro satria nambara fa ilain’ny sampan-draharaha hafa izay tsy nasiana olona. Tsy fanomezana tombondahiny (privilège) fa lalàna sy zo napetraky ny lalàmpanorenana ny fiarovana ny lapam-panjakana sy ny andrim-panjakana ary ny filohany sy ireo birao maharitra. Nohamafisin-dRakotovao fa fandikan-dalàna iny ary azo atao tsara ny mampiakatra izany any amin’ny Filankevi-panjakana. Inona no tiana hahatongavana ? Nanaitra ny masoivoho vahiny eto amin’ny firenena ity toe-javatra ity. Efa nihoatra ny 10 ny mpiara-miombon'antoka niantso hoe ahoana ? Tsy maintsy ary tokony hisy fitsirihana ny basy alefa aty amin’ny andrim-panjakana ary tsy mandà izany ity andrim-panjakana ity, hoy ny filohany. Na izany aza dia ireny ve ny tokony ho fanaovana azy? Momba ny hoe nanaovana izany ny andrim-panjakana hafa, toy ny fiadidiana ny Repoblika dia tahaka izao marina ve no natao tany ? Mba alaivo an-tsaina hoe alaina daholo ny basy ao amin’ny Lapan’i Mahazoarivo. Mety fanakontankonana ny raharaha mafampana mikasika ny CENI sy ny fifidianana io, anefa io raha ny fahitany azy.  Izahay dia mijoro foana vao misy tsy fanarahan-dalana, hoy i Rivo Rakotovao eo anatrehan’ny lonilony eo amin’ny samy raharaham-panjakana. Na misy aza ny fahitana fandikan-dalàna goavana, dia tsy hitory ny antenimierandoholona hatreto, izay tsapa ho matahotra ny ho tratry ny vela-pandrika amin’ny familiviliana ny raharaha CENI momba ny lisi-pifidianana sy kara-panondro, izay nohitsian-dRakotovao Rivo fa tokony hanokafana fanadihadiana lalina. Anisan’ny antony lehibe nampihetsika ny mpanohitra rahateo io, ka ao anatin’izany ny HVM izay efa ao anatin’ny Rodoben’ny mpanohitra na ny RMDM.

Toky R sy Marigny A.

 

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT