Andro nanjombona, delestazy, ary orana, izay no nandraisan’i Toamasina ny fahazoana filoham-pirenena vaovao nanao ny fianianany ny sabotsy teo.
Raha ny zava-nisy tany anivon’ny Fokontany sy teny an-dalana ary ireo tsena goavana, dia tsy hita tao Toamasina ny hafaliana sy ny fanantenana amin’ny fahazoana filoham-pirenena vaovao hitantana an’i Madagasikara ao anatin’ny dimy taona manaraka. Na ny ekipan’ny Hery Vaovaon’i Madagasikara ao Toamasina aza nangina. Nanamafy izany koa ny delestazy satria ny 80%-n’ny tanàna tsy nisy herinaratra, ka tsy afaka nanaraka mivantana ny lanonana rehetra natao tao Mahamasina sy teny Iavoloha, ary isany mitarika fahasorenana ho an’ny vahoaka ao Toamasina izany izay hanomezan’izy ireo tsiny ny mpitondra. Raha ny vaovao nomen’ny teo anivon’ny ENELEC mpamatsy herinaratra ny Jirama ao Toamasina, dia afaka telo volana any ho any, izany hoe amin’ny volana aprily na mey any, vao hivaha ny olana. Ny telo taona faran’ny krizy dia 3/4 tamin’ireo asa madinika mba niforona no nikatona sy nanakatom-baravarana ary niato noho ny herinaratra izay tsy misy afa-tsy amin’ny 10 ora alina mandra-maraina ihany, misy aza ireo tsy mahazo mihitsy mandritra ny 48ora indrindra ireo fokontany manodidina ny tanàn-dehibe sy Toamasina Suburbain.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.