Politique

Fahatsiarovana ny Profesora Zafy Tsy hita indray ny filoham-pirenena


  • Alarobia 14 Oktobra 2020

Tsy tazana teny Ambohijatovo indray omaly ny filoham-pirenena Malagasy, Andry Rajoelina, nandritry ny fitokanana ny tsangambato fahatsiarovana ny profesora Zafy Albert, filoham-pirenena teo aloha, efa nodimandry.

 

 Na dia efa niely tamin’ny fampalalam-baovao samihafa aza talohan’io fa ho avy eny an-toerana ity ben’ny tananan’Antananarivo teo aloha izay nitokana ity kianja ity ho kianjan’ny demokrasia ny taona 2008 dia tsy hita teny an-toerana nanome voninahitra ny fahatsiarovana ity rain’ny demokrasia ity izy. Antony voalaza ho isan’ny tsy nahafahany nanotrona izany moa ny adidy aman’andraikitra samihafa toy ny fanomanana ny fankalazana ny fahatsiarovana ny faha 62 taonan’ny repoblika voalohany anio any Anahidrano, faritra Sofia. Dia tena tsy azo natao mihitsy ve na dia ny nandalo minitra vitsy monja aza  tamin’iny omaly iny? Tsy misy fitaovam-pitaterana hahafahan’ny filoha mamonjy vetivety ny anio any amin’ny toerana voatokana hankalazana ny 14 oktobra 1958 na dia atao hoe anio aza vao nanainga ?

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT