Raha ny lalam-pifidianana nisy hatramin’izay teto amin’ny firenena dia tsy maintsy miaina enim-bolana eto an-tanindrazana ireo izay mikasa ny hirotsaka hofidiana amin’izany fifidianana izany.
Anisan’ireo kandida efa nilaza tamim-pomba ofisialy ny filatsahany hofidiana i Marc Ravalomanana, filoham-pirenena teo aloha saingy naongan’ny miaramila tamin-kery ny taona 2009 ka lasa sesitany any Afrika Atsimo. Efa-taona latsaka kely izao no tsy nahateto an-tanindrazana azy. Raha kajiana ny 8 mey 2013 izay nambara ombieny ombieny fa hisiana fifidianana filoham-pirenena dia tokony ho amin’ity anio ity na rahampitso no hahatongavany eto Madagasikara hahazoany mirotsaka hofidiana.
Hatreto anefa aloha dia tsy mbola tanteraka izany noho ny tahotr’ireo mpifaninana aminy, indrindra fa ny eo anivon’ny fitondrana ankehitriny ka dia nezahin’izy ireo foana ny nanakana azy tsy hody eto na dia mazava aza ny voarakitra ao anatin’ny sori-dalana fa mahazo mody tsy misy fepetra ary mahazo mandray anjara amin’ny raharaham-pirenena ireo sesitany politika rehetra, ao anatin’izany i Marc Ravalomanana. Efa nilaza ny tenany fa tsy maintsy ho tafody izy ary tsy maintsy hirotsaka ary manantena fa voafidy ka hiverina hitantana ny firenena indray. Tsy hisy fifidianana handeha koa eto raha tsy tonga izy ary ho sarotra, raha hahatafavoaka ny famatsiam-bola avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena raha toa ka tsy fifidianana handraisan’ny rehetra anjara no hatao eto. Dia samy miandry ny rehetra.
Ny etsy amin’ny Kianjan’ny Finoana Behoririka dia manamafy fa na inona na inona dia tsy maintsy ho tanteraka ireo rehetra voalaza ireo. Tsy voatery hihatra amin’i Marc Ravalomanana ny fepetra enim-bolana itoerana eto an-tanindrazana noho ny antsojay atao aminy satria fifanarahana politika no hamahana ny olana. Mbola baraingo koa ny tena hahatanterahan’izany fifidianana izany satria ny hita aloha hatreto dia tsy misy mivonona ary tsy maneho fahavononana na dia kely aza ny fitondrana. Tsy vao izao rahateo no nilaza hanao fifidianana ity tetezamita ity na dia iarahan’ny rehetra manaiky aza fa izay ihany no lalan-kivoahana saingy mbola be dia be ireo pitsopitsony tsy maintsy tanterahina mialoha izany.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.