Ny 14 jona lasa teo no nanapa-kevitra ny fanjakana tamin’ny alalan’ny Filoham-pirenena fa halefahana ny fepetra satria voafehy ny valanaretina, araka ny nambaran’i Andry Rajoelina.
Ny tranga sy ny maty anefa anefa mitombo. Toa vahaolana hoenti-misoroka ny mety hisian’ny fipoahana ara-tsosialy no natolotry ny fitondram-panjakana satria tena sahirana ny vahoaka. Tsikaritra fa tsy te hamoaka vola amin’ny fampihibohana ny fitondrana ka aleo nohalefahana ny fepetra ahafahan’ny rehetra manohy ny asa an-kahalalahana. Na ny fepetra fiarovana, toy ny fizarana “gél désinfectant” aza tsy nataon’ny fanjakana intsony. Nahazo tohana ara-bola iraisam-pirenena isika izay misy amin’ireny no voafaritra fa ho amin’ny fanampiana ara-tsosialy sy ara-toekarena. Manodidina ny 600 tapitrisa euros (2 580 000 000 000 Ar) ny fanampiana ho an’i Madagasikara momba ny coronavirus fotsiny. Manodidina ny 185 000 ny nahazo ny tosika fameno 100 000Ar, izany hoe 0,74% eo raha boriboriana ho 25 tapitrisa ny vahoaka Malagasy. Ny ara-toekarena dia zava-dehibe ny finiavan’ny fitondram-panjakana hanao fampindramam-bola, saingy ny tena andrasan’ireo mpandraharaha dia ny hisian’ny tohana vonjy aina izay tsy haverina eo anatrehan’ny krizy iainana. Mirona kokoa amin’ny tanjona lavitr’ezaka ny fitondrana. Sarotra ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny satria handroso maty raibe, hihemotra maty renibe ny fitondram-panjakana. Any amin’ny fanamafisana ny fepetra fiarovana no isam-batan’olona no vahaolana ho an’ny valanaretina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.