Mifoha indray moa amin’izao fotoana izao ny resaka nosy manodidina an’I Madagasikara. Isan’ny mampametra-panontaniana ny maro etsy an-kilan’izay ny tena fipetraky ny fanjakana Malagasy sy ny Frantsay.
Raha tsiahivina fohy dia nisy fifamaliana bontana in-droa miantoana nalaza teo amin’ny filoham-pirenena roa tonta. Ny iray dia ilay fanambaran’ny filoha malagasy fa raha tsy azontsika izao ireo nosy manodidina ireo dia tsy azontsika intsony. Namaly ny filoha frantsay ary nidina tao amin’ny Nosy sambatra na Iles glorieuse mihitsy fa Frantsa, hono, no ao. Vao tamin’ny herinandro indray no nanamafy ny filoha Malagasy fa mitaky ny hamerenana ireo nosy manodidina amin’i Madagasikara. Namaly ny frantsay fa haka ny hevitry ny vahoakany. Ny taona 1979 no nanambaran’ny firenena mikambana fa an’i Madagasikara ireo nosy manodidina azy. Izany hoe raha ny lojika dia tsy tokony fitakiana intsony no ataon’ny fanjakana malagasy fa fakana mihitsy ireo nosy ireo. Ho sahin’ny filoham-pirenena Malagasy ve, ohatra, amin’ny 26 jona izao, ny hanao fanambarana ao amin’ny Nosy sambatra na Iles glorieuse fa Madagasikara no ao? Ho voatohitry ny filoha malagasy ve iny filazana hoe “ici c’est la France” iny ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.