Politique

Faharo Ratsimbalson “Robot”-n’i Andry Rajoelina ny tenako


  • Alatsinainy 17 Janoary 2011

Gazety mpiseho isan’andro iray akaiky ny fitondrana no namoaka lahatsoratra milaza fa misy lehiben’ny faritra iray tsy matimanota no sady milaza azy ho tsy fehezin’ny filohan’ny FAT ny faran’ny herinandro lasa teo.

Tsy nanambara ny anaran’io lehiben’ny faritra io sy ny faritra iadidiany anefa ilay lahatsoratra. Mahatsiaro tena ho voahoso-potaka amin’ity raharaha ity ingahy Faharo Ratsimbalson, lehiben’ny faritra Menabe ka niezaka nanadio tena mafy. Nambarany fa misy ny fikasana hanapa-doha io mpitondra iray any amin’ny faritra io ka tsy mpanao gazety tsotra no nanoratra ilay vaovao fa olon-kafa. Mba hanamarinany tena fa tsy izy akory ilay tiana halentika dia vitany mihitsy no nilaza fa “robot”–n’i Andry Rajoelina ny tenany ary ambonin’izay dia tsy maintsy milefitra na mandohalika amin’ny lehibeny izy amin’ny maha manamboninahitra miaramila azy. “Se soumettre» moa no voambolana nampiasainy. Ankoatra izay dia nambaran’i Faharo Ratsimbalson koa fa azo antoka ny fanohanan’ny vahoakan’i Manabe ny filohan’ny FAT noho ireo zava-bita maro vitany raha tsy hilaza afa tsy ny ao Morondava, renivohitra.

Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT