Politique

Fahantrana sy krizy Miverina ny sarin’ny Repoblika II…


  • Zoma 12 Aogositra 2022

Toa maneso ny vahoaka Malagasy ilay nilazan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa tsy misy krizy eto, ary efa anatin’ny fanatrarana ny fahatarana ara-pampandrosoana isika. Ny sary miseho anefa,

dia miverina tanteraka any amin’ny Repoblika faharoa, milahatra vary vao maniran-dratsy, porofo maneho fa mahantra sy farahidiny ny olona, ambany dia ambany fahefa-mividy, ka miezaka mitady izay mora, indrindra fa ireo zaraina sitrany ahay vaza-mihetsika, aleo maty rahampitso toy izay maty androany. Miteny ho azy ny tarehimarika navoakan’ny Banky Iraisam-pirenena fa tafiakatra 81% ny tahan’ny mahantra, raha 73% talohan’ny taona 2019 nahazoan-dRajoelina fahefana. Ny krizy ara-tsosialy efa tsy takona hafenina intsony. Efa nisy teto ny famarotana hani-masaka mora na “kaly tsinjo”, izay nisy fotoana aza ny Filoham-pirenena mihitsy no mitana sotrobe. Indraindray toa lasa fahafinaretan’ny mpanao politika no mahita olona mitangorona, milahatra ireny fanampiana ireny. Tsy ny fizarana zavatra no ratsy, ary tena mety ny mifanampy, mitsinjo ny mpiara-belona amin’izao vanim-potoana sarotra izao. Tsy mety kosa ny fanaovana fitaovana ny vahoaka ho amin’ny tombotsoa politika, hividianana ankolaka ny vatony amin’ny fifidianana, hampiasana ny sariny ho fitaovana fa nanao asa soa ny mpanao ny mpitondra izatsy na izaroa, izay matetika volam-panjakana sy fananam-panjakana no hanaovany an’ireny. Raha mahay mitantana, manana paiakady ara-politika mazava, manana paikady matipaika hiatrehana sy hanarenana ny olana ara-toekarena sy ara-tsosialy ny mpitondra, tsy ho tonga any amin’ny fitadiavana zavatra mora sy maimaimpoana ny olona fa hanan-tsafidy amin’ny tolotra rehetra misy. Matetika ireny tsy mahafaobe, fa ny serasera no tena lalaovina, hany ka sanatria lasa manao fitaovana ny fahoriam-bahoaka.
Toky R

Sary indramina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT