Fidangan` ny vidim-piainana, ny fihanaky ny kolikoly, ny asa-dahalo sy ny jiolahy ary ny fiparitahan` ny basy, ny olan` ny fananan-tany, olona ana hetsiny very asa, ny krizy ara-toekarena sy ara-tsosialy…
Nilaza ny hanova ny firenena ny Filoha Rajoelina. “Tsy vita iray andro ny fampandrosoana sy ny fanorenana fotodrafitrasa. An-taona izany…” hoy izy saingy toa vahaolana vonjy tavanandro sy ny petatoko no zava-misy fa tsy misy vina lavitra araka ilay nampanatenaina. Tsara no manamarika fa ny filoha Rajoelina dia tsy vahiny amin` ny fitantanana firenena satria nitantanan ny tetezamita taona 2009-2013. Nanana ny olony ihany koa izy tamin` ny fitondrana teo aloha. Tonga indray izy ny taona 2018 mitondra nofy ho an` ny Malagasy. Marihana fa ny “Initiative pour l’Emergence de Madagascar” (IEM) no programan’asa eritreretin’ny mpitondra ankehitriny sy ireo mpiara-dia aminy fa hitondra fandrosoana, izany hoe hampidina ny tahan’ny fahantrana eto amin’ny firenena. Araka ny tatitry ny banky iraisam-pirenena tamin` ny taona 2019 dia manodidina ny 90% ny tahan` ny fahantrana eto Madagasikara. Ny IEM anefa dia mifototra kokoa amin` ny fananganana fotodrafitrasa betsaka. Tsy hita taratra mazava ihany koa ny mikasika izay ady amin’ny fahantrana izay. Na inona na inona ambara, mijanona ho resabe sy fampatoriana ny vahoaka fotsiny ny filazana fa mandroso ity Madagasikara ity raha toa ka tsy mihena io tahan’ny fahantrana 90% io. Etsy ankilany, ny vahoaka hatrany no mizaka ny vokany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.