Politique

Faha 50 taonan’ny tolona 1972 Tsiaro fa tsy fankalazana ny eny Antaninarenina


  • Alarobia 11 Mey 2022

Mandritry ny 3 andro dia ny 10 hatramin’ny 12 mey izao no hanatontosana etsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny Tsiaro ny faha 50 taonan’ny tolona 1972. “Tanora mahatsangy, manoratra tantara…”,

izay moa no lohateny nofidian’ireo mpikarakara izany ho fanamarihana izay jobily volamena izay. Antso ho amin’ny fijoroan’ireo tanora ankehitriny hanohy ny tolona mbola tsy vita hatramin’izao araka izany no tanjona. Tsy fankalazana fa tsiaro no atao, hoy ny fanamarihana. Nampatsiahy ireo mpikarakara fa tsy hoe ny datin’ny 13 mey 1972 sy ny zava-nitranga teny Analakely sy ny manodidina ihany akory no tena hoe tolona fa efa tany amin’ny 1971, taorian’ny vonomoka natao tamin’ny mpiray tanindrazana tany Atsimo no nijoro ireo tia tanindrazana tsy manaiky ny tsy rariny sy ny fanararaotam-pahefana ary ny firaisana tsikombakomba tamin’ny mpanjanaka.Ny mpianatra no tena nihetsiketsika voalohany saingy nieli-patrana manerana ny nosy ary tena nahakasika ny ankamaroan’ny Malagasy ny tolona, hoy hatrany ny fanazavana.Fanovana rafitra sy fomba fiasa no notakiana fa tsy resaka tsy fitiavan’olona sanatria, raha ny fitantaran’ireo vavolombelon’ny tantara niaina izany 1971 sy 1972 izany. Isan’ireo mpiara-miasa amin’ity hetsika ity moa ny vondron’orin’asa Vidy Varotra misy ny gazety Tia Tanindrazana.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT