Politique

«Face ŕ face» Kongresy-Governemanta Nahemotra ho amin’ny 5 novambra indray


  • Alarobia 24 Oktobra 2012

Nolanian’ireo mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita niatrika ny fivoriana nitambaram-be teny Tsimbazaza omaly fa hahemotra amin’ny alatsinainy 5 novambra izao ilay «face ŕ face» ifanatrehan’ny mpikambana avy amin’ny Governemanta sy ny Kongresy.

 Noho ny fangatahan’ny praiminisitra voatana amin’ny raharaha hafa no voalaza fa anton’ny fanemorana. Omaly tao anatin’ity fivoriamben’ny MCT ity dia lanin’ny besinimaro ilay volavolan-dalàna 019/2012 tamin’ny 18 jolay 2012 manome alalana ny fanaovan-tsoniam-pifanarahana eo amin’ny Repoblika Malagasy sy ny IDA amin’ny famatsiam-bola fanampiny ny tetikasa hiadiana amin’ny aretina azo amin’ny firaisana (IST) sy VIH/SIDA . Tsy nahatratra ny fetrisa kosa ka tsy lany ilay volavolan-dalàna 020-2012 tamin’ny 2 aogositra 2012 manome alalana ny fanaovan-tsoniam-pifanarahana ana habakabaka eo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Repoblikan’i Torkia voasonia ny 31 mey 2012. Raha ny marina dia nametraka ahiahy amin’ny mahamaika hirosoana amin’ity fifanarahana ity ny ankabeazan’ireo CT namonjy fivoriana teny Tsimbazaza omaly.

Voalaza tao fa anisan’ny firenena mafana ra i Tiorkia ka mety hanampy tosika ny zava-misy eto amintsika indray ny fifandraisana amin’izy ireo. Nisy nanamarika fa na dia lohalaharana amin’ny fampidiram-bola ara-pizahantany aza i Torkia dia sangany amin’ny fanaovana hosoka amin’ny kojakoja fanolo amin’ny fiarakodia ihany koa. Mbola nasian’ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita nahitsin’ny avy ao amin’ny ministeran’ny fitaterana nitondra azy koa ny firafitry ny teny frantsay ao anatin’ilay volavolan-dalàna sy ny fahadisoana tsipelina be dia be hitan-dry zareo.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT