Tsy hisy ny fanovana governemanta amin’ity volana ity, raha ny nambaran’ny
Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika ny 15 janoary lasa teo. Ny 19 janoary tsingerin-taonan’ny nandraisany ny fahefana dia nanamafy ny toky amin’ny fampandrasoana miaraka amin’ireo Minisitra sy ny tompon’andraikitra samihafa I Andry Rajoelina. Toa maneho ireo fanambarana roa ireo, fa tsy hisy izany ny fikitihana ny governemanta, ary afaka misento aloha ireo minisitra, fa mbola ho tafajanona amin’ny seza hatrany. Tena hahatafavoaka baolina amin’ny fampandrosoana sy vina tian’ny Filoha hahatongavana ve anefa izy ireo raha tarafina amin’izay roa taona izay? Somary nanahirana sy tsy dia nahavaha olana ny governemanta teknisianina. Miteraka ady mangatsiaka ara-politika eo amin’ny Filoha sy ireo politisianina niady tamin’ny fametrahana an’I Andry Rajoelina anefa io hoe: ny tsy nifofotra no nahazo avara-patana kanefa tsy mahavaha olana. Ny samy ao anaty governemanta mifanebaka mivantana na ankolaka, toy ny nilazan’ny depiote iray akaiky ny Minisitra iray, fa misy minisitra manao “selfie” fotsiny no asany. Ny 11 janoary, “raha mety avokoa ireo minisitra dia efa vita 100% ny tetikasa nentina tamin’ny 2019 no vita. Raha ny vinan’ny Filoha tsy tokony ho ohatr’izao ny zavatra mitsangana mihoatra an’i Madagasikara fa mihoatra an’izao. Misy ny nahavita ny adidiny, misy tsy nahavita, misy tsy ampy. Ny Filoha sy ny Praiminisitra no tena tompon’ny teny farany. Izay tena mahavita ny velirano, misy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka”, hoy ny Talen’ny seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Rinah Rakotomanga. Raha raisina amin’io indray, dia misy olona sokajiana ho tsy mahavita azy ao anaty governemanta, ary tsy maintsy hisy tsotsorimamba isarahana, saingy niova ny tantana. Fa misy inona no tsy sahy nikitika governemanta indray ny Filoha ? Efa nahita volon-tany sy mifankahalala ny mety afera mandeha ao anatin’ny Fitondrana ve? Any amin’ny Filoha ny baolina fa ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe: tena hahafahana manatratra ny tanjona na ara-pampandrosoana na ara-politika ve ny endriky ny governemanta ankehitriny ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.