Politique

Fa misy inona indray ? Nohamafisina ny fiarovana an-dRajoelina


  • Zoma 21 Janoary 2022

Misy lanjany sy dikany avokoa ny sary sy horonan-tsary avoaka amin’ny fihetsiky ny manam-pahefana sy mpitondra ambony, ary isan’izany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

 Nanaitra ny sary sy horonan-tsary teo am-pahatongavana omaly raha nandeha nitsidika ireo traboina tetsy amin’ny Kianja Mitafon’Ankorondrano, izay nahitana sy nahatsapana fa niha hentitra kokoa ny fiambenana ny Filoha Rajoelina. Misy lanjany ara-tserasera ny fanehoana an-tsary ireo mpiambina milanja basy « kalacknikov » namoha varavarana azy. Mety paikady sy fomba amam-panao amin’ny fiarovana, saingy tena nilaina navoaka ve ny horonan-tsary mirakitra izany ? Mety hisy ny hiteny hoe : ny anareo finiavana hitsikera, ary tsongolohana daholo izao rehetra izao, saingy raha ny loharanom-baovao azo, dia tena nohamafisina ny fiarovana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’izao fotoana izao. Na amin’ny toerana holalovany aza, dia hentitra kokoa ny fanaraha-maso mialohan’ny handalovany, nampitomboina ny fahamailoana. Nampitomboina ny fisafoana mialoha mba hitandroana sy ananana antoka bebe kokoa amin’ny fiarovana ny ain’ny Filoham-pirenena. Azo adika izany fa manana fanahiana mafy amin’ny ainy sy ny fahefany ny Filoha Malagasy, ary tsy mahatoky an’ilay hoe : « Filoha mamim-bahoaka » intsony angamba. Raha malina tokoa aza, hono, mifehy hazo tokana, ka lojika raha mailo amin’ny ainy ny Filoha sy ny ekipany. Politika rahateo no atao, ary tsy voatery ho tia azy avokoa ny olon-drehetra, saingy efa tsy politika intsony raha sanatria misy mikasa hifofo ny ainy tokoa. Vao tsy ela rahateo no nisy ilay raharaha “Apollo 21” izay nivadika ho raharaham-pirenena mihitsy. Ny hita miharihary aloha, dia mihena ny taham-panohanan’ny olona ny Filoha eo anatrehan’ny endri-pitantanana ny firenena ka lojika raha mety mailo sy tsy mahatoky tena firy ihany koa izy, ka ny fampiakarana ny fahamailoana sy fiarovana no isan’ny paikady sy fepetra raisina na mety tsy misy manana eritreritra hanao ratsy ny Filoha aza, fa ny azy no mety ataony tonga aloha.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Michel Razafindrandriatsimaniry
  • Zoma 05 Jona 2026

Manentana ireo Olomboatendry

  • Vovonana RALI
  • Zoma 05 Jona 2026

"Tsy misy fotoana ho an'ny adilahy,

  • Antoko politika Les Phares
  • Zoma 05 Jona 2026

«Efa misy dingana maro vita

  • Afera Rajerison, HCC, resaka fanakorontanana,…
  • Zoma 05 Jona 2026

Hangotraka ny fanenjehana,

  • Eliana Bezaza
  • Alakamisy 04 Jona 2026

"Miverina amin’ny fototra niorenany ny Repoblika"

  • Nikaon-doha
  • Alakamisy 04 Jona 2026

ny Filoha, FFKM, Praiminisitra,…

Hijery ny tohiny
FTT