Nijoro ho fikambanana ara-dalŕna, fehezin’ny didy hitsivolana 60-133 ity vondrom-pikambanana ity manomboka izao.
Tsiahivina fa anisan’ireo nandray an-tanana ny fanatanterahana ny fikaonandoham-paritra natao teo anelanelan’ny 30 jona ka hatramin’ny 03 jolay 2009 izy ity, fanatanterahana ny tapaka nandritra ny Assises Nationales natao teny amin’ny Centre de Conférences National Ivato ny volana aprily 2009. Comité de Suivi des Résolutions des Assises Nationales na CSR-AN no anarana nentiny tamin’izay. Nisy ny disadisa anatiny teo amin’ny samy mpikambana tao, izay filoham-pikambanana na mpitarika fiarahamonim-pirenena ny ankamaroany, rehefa raikitra indray ny Dinika Santatra jolay 2010 narahin’ny fihaonambem-pirenena ny septambra 2010 nasain’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita nokarakarain’ny Raiamandreny Mijoro sy ny Finoana niaraka.
Dia nisara-dalana ry Pr Blanche Nirina Richard, izay nitazona ny CSR-AN saingy lasa Comité pour la Sauvegarde et la Refondation Authentique de la Nation ; ry Andriamahefa Charles sy ny ekipany kosa namorona ny Ex-CSR-AN. Iry voalohany mitsipaka ary tsy mankasitraka ny Dinika Santatra sy ny tohiny ny Ex-CSR-AN kosa nifanohitra tamin’izay, satria dia anisan’ireo nandray anjara ary nanao izay hahatanteraka azy iny ary izay no nanosika azy ireo hampijoro ara-panjakana ny fikambanan’izy ireo, izay nahazo fankatoavana ny 24 desambra ary nampahafantatra izany tamin’ny mpanao gazety omaly. Randriamboavonjy Samson, avy amin’ny fikambanana Faneva, no filoha nasionalin’ity Ex-CSR-AN ity.
Tsy tongatonga ho azy ny nampijoroana ho fikambanana ara-dalàna azy ity amin’izao vanimpotoana iresahana ny fampijoroana ny governemantan’ny fisokafana izao sy ny fanatevenana ireo andrimpanjakana efa mijoro (CST, CT, CENI) sy ny mbola hajoro toy ny CNR (filankevi-pirenena momba ny fampihavanana). Tsy nanafina rahateo ny mpikambana ao fa anisan’ny namono ny voay izy ireo ka tokony hiravaka ny vanginy ary vonona ny handray anjara. Misy amin’izy ireo rahateo no efa tany anaty vondrona politika, toy ny ESCOPOL saingy hadino rehefa tonga ny fizarana seza ka dia mihevitra fa any amin’ny vondrom-pikambanana toy itony indray no manantena hisian’ny heriziky manaraka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.