Politique

ESCOPOL Vao maika misavorovoro


  • Alatsinainy 10 Janoary 2011

Izay vao tena ofisialy ny fizaran’ny ESCOPOL. Andaniny ireo tafiditra ao amin’ny Kongresy sy Filankevitr ambonin’ny tetezamita ahitana an’i Benjamina Ramanantsoa, Ramasy Adolphe ary Ravelomanantsoa Elia ary ankilany kosa ireo tsy nahazo seza tarihin’i Cyril Rasamizafy miaraka amin’i Paul Mpody.

Hentitra ny fanambarana nataon’ireto farany ny sabotsy lasa teo fa tokana ny ESCOPOL dia izay miaraka amin’izy ireo. Mijoro ara-dalàna ara-panjakana ny ESCOPOL? hoy Rasamizafy Cyril, filohany araka ny taratasy fanamarinana avy amin’ny ministeran’ny Atitany tamin’ny 18 oktobra 2010. Araka izany dia nanamafy ny tenany fa tsy misy antoko na mpanao politika hafa afaka mampiasa ny anaran’ny ESCOPOL intsony. Na izany aza dia miantso ireo namana ivelan’ny vala mba hiverina hiaraka amin’ny besinimaro koa i Rasamizafy Cyril. Ambohimpihaonan’ireo fikambanana sy antoko politika miisa 76 mandrafitra ny ESCOPOL moa ny trano fandraisambahiny Carlton ny sabotsy teo hanamarihana ny fanokafana ny fidiran’ny antoko amin’ny sehatra politika amin’ity taona 2011 ity.

Noresahana tamin’io mazava ho azy ny raharaham-pirenena izay nanambaran’ny filohan’ny ESCOPOL (ara-dalàna) fa manohana an’i Andry Rajoelina, filohan’ny FAT hatrany izy ireo noho ny zava-bitan’ity farany. Nambarany koa fa fahefana fenon’i Andry Rajoelina ny manendry ny praiministra hitantanana ny governemanta vaovao ary niantso ireo rehetra nandray anjara tamin’ny tolona (?) teny amin’ny Kianjan’ny 13 Mey koa ny tenany mba hanambatra ny heriny ka hiray hina amin’ny fanampiana ny filohan’ny FAT. 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT