Politique

«Escopol» sy «Exopoles» Miezaka mandravona ny disadisa anatiny


  • Alakamisy 20 Janoary 2011

Tsy mampilamina ny fitambatambarana antoko politika etsy sy eroa ny resaka fizaran-tseza tamin’ny nanendrena ny CT sy CST farany teo ireny.

Anisan’ny niaiky fa niharan’izany tanteraka ry zareo ao amin’ny Sehatra ifampidinihan’ny antoko sy fikambanana politika na ny Escopol, araka ny fanamarihana nomen’ny filohan’ny vaomieran’ny fifandraisana ao aminy Atoa Randriamorasata Charles Aimé. Nambarany anefa fa efa miroso amin’ny famahana ny olana tanteraka ry zareo ankehitriny taorian’ny fivoriana nataon’ireo mpikambana tsy parlemantera ny 17 sy 18 janoary teo. «Hijanona ao amin’ny Escopol ihany», hoy izy, «na dia efa nanangana ny Exopoles (Examen Orientation Politique, Economique et Sociale) ry Cyrille Rasamizafy sy ny mpiara-dia aminy. Tsy miova mantsy ny tanjona efa nokinendrin’ny rehetra hatrany am-boalohany dia ny fivoahana amin’ny krizy amin’ny fanatanterahana ny fifidianana samihafa hidirana any amin’ny Repoblika faha-IV. Tsy niala tao rahateo fa manana ny heviny fotsiny amin’ny maha Parlemantera Escopol azy ireo ny CT sy CST mpikambana ao amin’ity sehatra ity».

Fantatra fa hanolotra lisitra iombonana amin’ny fanendrena samihafa ho avy amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena (ministra …) ireo antoko politika maherin’ny 150 mivondrona ao amin’ny Escopol ankehitriny. Miady varotra mafy mba hivoahan’ny Praiministra avy ao amin-dry zareo koa ity sehatra ity satria nambaran’Atoa Randriamorasata Charles Aimé ihany, fa «metimety kokoa amin’ny fijerin’ny ankolafy rehetra misy ny mahita olon’ny Escopol manakaiky kokoa amin’ny tsy momba ny atsy sy ny aroa». 

Manohy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT