Politique

ESCOPOL Asavorovoron’ny seza sy tombontsoa


  • Alakamisy 23 Desambra 2010

Mbola misavorovoro tsy mety milamina hatramin’izao ny ESCOPOL ary mitohy isan’andro ny fivoriana karakarain’ireo ankolafy maro samihafa ao anatiny.

Miha mitombo isa ihany koa amin’izao fotoana ireo lehiben’antoko sy mpanao politika tao anatin’ity sehatra iray lehibe ity manomboka resy lahatra fa tena nisy tokoa ny fanovana ireo anarana tao anaty lisitra nalefa teny Ambohitsorohitra mialoha ny fanendrena ny mpikambana tao amin’ny Kongresy (CT) sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST). Anisan’ireo mpikambana ao amin’ny ESCOPOL tsy nitsitsy fitenenana ary dia nanapotsipotsitra ny ambarany fa marina Atoa Taheza, filohan’ny antoko AMSM sady mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita.

Nambarany fa mpanao politika efatra tao amin’ny ESCOPOL no anisan’ny tomponandraikitra tamin’io fanovana ny lisitra io, ary mbola ireo olona ireo ihany koa no nisandoka nitondra ny anaran’ny ESCOPOL nihaona tamin’ny iraky ny SADC, ka ny tanjon’izy ireo dia ny handrava mihitsy ny CT sy ny CST ka hanolotra anarana hafa indray, araka ny fanazavan’ity mpikambana ao amin’ny CT ity. Niantso ireo mpanao politika rehetra ao anatin’ity Sehatra ifanakalozan’ny mpanao politika ity ary izy mba tsy hanaiky horebireben’ireo mpanao politika mpisandoka sy tsy mieritreritra afa tsy ny tenany sy ny sezany ireo. Azo antoka fa hiteraka krizy vaovao eto, hoy izy izany fandravana ny rafitra efa najoro izany, ary hampisavoritaka tanteraka ny tontolo politika, ka hampitarazoka ny famahana ny krizy.

Efa nanomboka tamin’ny herinandro lasa iny moa no niparitaka tetsy sy teroa ity resaka fandravana ny CT sy ny CST ity, tsy manaiky izany anefa ireo efa mpikambana ao ary manitrikitrika fa raha misy ny fanamboarana tokony hatao dia ampiana fotsiny ny isan’ny mpikambana fa tsy misy fandravana izany. Anisan’ny voatonontonona matetika amin’ity raharaha ESCOPOL ity moa Atoa isany Benjamina Ramanantsoa sy Adolphe Ramasy ary Alain Andriamiseza. Ambaran’ireo mpikambana sasany ao amin’ny ESCOPOL fa mpikaramanady politika izy ireo ary tsy menatra ny hamadika palitao mihitsy rehefa izay no mahametimety azy ireo. Anisan’ny efa voasarika miaraka amin’izy telo mirahalahy ireo ihany koa Rtoa Elia Ravelomanantsoa raha ny filazan’ireo mpikambana ESCOPOL mahatsiaro tena voafitaka sy natao fitaovana. Dia mbola mitohy hatrany izany ny savoritaka sy ny savorovoron’ny ESCOPOL, noho ny resaka seza.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT